Toko faha 86

1 Mitainoa, Yave oh, de mamale anahy, fa mahantra sy mijaly aho. 2 Arovo aho, fa tsa mpivadika; Andriamagnitso, vonjeo ny mpanomponao ze mitoky aminao. 3 MamindrĂ  fo aminahy, Tompo oh, fa mitagny aminao andro lava mihintsy aho. 4 Ampifaleo ny mpanomponao, fa aminao ro hivavahako, Tompo o. 5 Soa, Agnao, Tompo oh, sady vonona hamela heloka, ary magnatoro famindram-po lihibe ho an'ze mitaraigna aminao Agnao. 6 Yaveh, mitainoa ny fivavako; mandrinesa ny ny feon'ny fangatahako. 7 Mangaika Anao aho tamin'nny androm-pahoriako, de hamaly anahy agnao. 8 Tsa misy leko raika aza azo ampitoviana Aminao amireo andriamagnitsa, Tompo oh. Tsa misy asa sahalamin'ny asanao. 9 Ny firenena aby ze efa namboarinao de ho avy handohalika eo agnatrehanao, Tompo oh. De hagnome voninahitsa ny agnaranao reo. 10 Fa lehibe agnao sady manao raha mahazendagna; Agnao rery ro Andriamagnitsa. 11 Ampianaro anahy reo lalanao, Yaveh oh. De ho roso amin'ny fahamarinana aho. Ampiraiso ny foko mba hanoroako fagnajana aminao. 12 Tompo oh Andriamagnitsa oh, hidera anao amin'ny foko manotolo aho; hagnome voninahitsa ny agnaranao mandrakizay aho. 13 Fa lihibe ny famindram-ponao aminahy; efa namonjy ny aiko tamin'ny halalin'ny fiagnan-tsy hita Agnao. 14 Andriamagnitsa o, efa nitsangagna hanohitsa anahy ny mpiavognavogna. Ny andian'ona mahery setra mifofo ny aiko. Tsa mba mihevitsa Anao reo. 15 Fa Agnao Tompo oh, Andriamagnitsa mpamindra fo sy be fahasoavana, mahari-po sady be famindram-po sy mendrim-pitokiana. 16 mihireha aminahy de managna indra-fo; omeo ny herinao ny mpanomponao; vonjeo ny zanaka lahin'ny mpanompovavinao. 17 Aneho famantarana ny sitrakao aho. Reo ze mankahala anahy de hahita anizay de ho megnatsa satria AgnaoYaveh, efa nagnampy anahy sy nampionona anahy.