Toko faha 85

1 Yaveh o, efa nagnatoro sitraka tamin'ny taninao Agnao; napodinao tamin'ny laoniny ny fifalen'i Jakoba. 2 Efa naelanao ny heloky ny olonao; efa nosarognanao ny otan-dreo aby. Sela 3 Efa nagnalaka nyfahavigniranao Agnao; efa niala tamin'ny hatizerna mahamay agnao. 4 Apodiano agnay, Andriamagnitsy ny famonjena anay, ary aoka hiala aminay ny tsa fahafalianao, hasiaka aminay mandrakizay ve Agnao? 5 De hitoatsa hasiaka amin'ny taranaka mandimby aby manotolo ze ho avy ve Agnao? 6 Tsa hamellogna anay ndraika koa ve Agnao? De ho faly aminao ny vahoakanao. 7 Atorò anay ny famindram-ponao, Yaveh, tantiraho aminay ny famonjenao. 8 iheno ze tarògnin' Yaveh Andriamagnitsa aho, fa hihavana amin'ny onany I, sy reo mpanara-dia mahatokiny. Eko tsa hopody amin'ny lalan'ny fahadalàna ndraika koa reo. 9 Ny famonjeny de azo antoka fa eo agnilan'ny ze matahotra Anazy; de hitoatsa amin'ny taninay ny voninahitsa. 10 Nifanojo ny fifagnekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokiana; efa nifampitohoka ny fahamarinana sy ny fiadagnana. 11 Miboiboika avy amin'ny tany ny fahamendreham-pitokiana, ary fahamarinana mitsirika hategny amin'ny lagnitsa. 12 Eka, Yaveh hagnome reo fitahiany soa, sady hamokatsa ny taninay. 13 Ny fahamarinana handeha eo alohany, sady hanao lalagna ho anny diany.