1
Endrey ny hakanton'ny toerana zay itoeranao, ry Yaveh Tompon'ny maro!
2
Magniry fatratra ny kianjan'i Yaveh aho efa nahaketraka ahy ny fagniriako zany. ny fako sy ny momba ahy rehetra mangaika an'Andriamanitsa velogna.
3
Na ny fody aza nahita fipetrahagna hoanazy ary ny tsikirity mahita akany hoan'ny tegnany mbva hametrahany ny zanany marriny ny alitaranao, ry Yavehb Tompo'ny maro, mpanjakako, sy Andriamagnitso.
4
Tretrika reo zay mitoatsa ao an-tranonao; ary hidera Agnao hatrany reo.
5
Tretrika ny ona ze manan-kery ao Aminao. Ze magnana lalam-be miakatsa mandeha any Ziona ao am-pony.
6
Hahita loharano hosotroany reo, egny am-pamakivakiana ny lohasahan-dranomaso. Ny lohaorana handrako-pitahiana anizany.
7
Avy miha-mahery am-pandehanana reo; ny kiraidraika amin-dreo ro miseho eo anatrehan'Andriamagnitsa any Ziona.
8
Yaveh Andriamagnitsa Tompon'ny maro o! mandrinesa ny fivavako; ry Andriamagnits'i Jakoba o, tainĂ² ze lazaiko! Sela.
9
Andriamagnitsa o, ambeno ny ampinganay;manihoa fiahiana ho an'ny voahosotsao.
10
Fa ny andro raika ao ankianjanao de lihibe lavitsa mihoatsa ny arivo agnan-dain'ny hafa. Aleoko miambigna ny vavaravargnin'ny tragnon'Andriamagnitsa toy zey mitoatsa an-dain'ny ratsy fagnahy.
11
Yaveh Andriamagnits ro masoandro sy ampinga ho anay; hagnome fahasoavana sy voninahitsa Yaveh; tsa hitagna raha soa hatamin-dreo mandeha amin'ny fahitsiana i.
12
Ry Yaveh Tompon'ny maro o, tretrika ny ona ze matoky anao.