Toko faha 83

1 Andriamagnitsa o, aza mangigna! Aza manao tsinotsinona anay ary mitoera fa aza mamitsaka, Andriamagnitsa o. 2 Io, mikomy ny fahavalonao, sady reo ze manakahala anao de efa nampitraka ny lohany. 3 Mitetika hanohitsa ny olonao reo ro niara-nikasa ny hanohitsa reo voaaronao. 4 Efa nitarogna reo hoe:" Avia , de andao atsika hamotika andreo salamin'ny firenena raika. De tsa ho tsaroana koa ny agnaran'Israely." 5 De niara nitetika paik'ady raika reo; ko nitraoka hanohitsa Anao. 6 De ny lain'i Egoma sy ny Ismaelita, ary ny vahoakan'i Moaba sy reo Hagrita, ze niara-niteti-dratsy tamin'i 7 Gebala, Amona, Amaleka; de ny filistia sy reo mponin'ny Tyro. 8 Nitraoka tamin-dreo hiany koa Asyria; manampy ny taranak'i Lota reo. Sela 9 Ataovy amin-dreo salamin'ny nataonao tamin'i Mediana, ary tahaka ny nataonao tamin'i Sisera sy tamin'i Jabina tao amin'ny ony Kisona. 10 Maty tagny En-dora reo sady roso salamin'ny zezika ho an'ny tany. 11 Ataovy salamin'i Oreba sy Zeba ny mpanapan-dreo,sady salamin'i Zeba sy Zalmona ny andrian-dreo aby manotolo. 12 Hoy reo hoe: "Andao alaintsika ho antsika ny tany fihinanam-bilognan'Andriamagnitsa." 13 Andriamagnitso o, ataovy salain'ny tadio, salamin'ny akofa eo eo alohan'ny rivotsa, 14 salamin'ny afo mandoro ny ala, ary salamin'ny lelan'afo ze mampirehitsa ny tendrombohitsa reo. 15 Hazao amin'ny rivotsa amin'ny rivo-maherinao reo, de ampihorohoro amin'ny tafio-drivotsao. 16 Fino hegnatsa ny tavan-dreo mba hitadiavany ny agnaranao, Yaveh o. 17 Ho megnatsa sy hangorohoromandrakizay anie reo; ary ho maty agnaty fahafaham-baraka. 18 De ho fantan-dreo fa Agnao rery hiany, Yaveh,ro Avo Ndrindra manerana ny tany aby.