1
Andriamagnitsa de ao amin'ny fiangonana masina; eo ampovoan'ny andriamagnitsa ze omeny fitsarana.
2
Sy viana ro hitsaranareo tsa ara-drariny sy hanoro fiangarana amin'ny ratsy fagnahy? Sela
3
Arovy ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
4
Vonjeo ny mahantra sy ny ory; afaho amin'ny tagnan'ny ratsy fagnahy reo.
5
Tsa nahafantatsa na nahatakatsa mihintsy reo; nirenireny tagnatin'ny ezigna reo nirodagna aby reo fioregnan'ny tany manotolo."
6
Hoy iaho hoe: " Agnareo ro andriamagnitsa,ary agnareo aby de zanaky ny Avo Ndrindra.
7
Leko zay aza de ho maty salamin'ona sy ho lavo salamin'ny raika amin'reo andriana hiany agnareo."
8
MitsangĂ na ,Andriamagnitsa o, tsarao ny tany, fa managna lova amin'ny firenena aby manotolo Agnao.