1
Mitainoa, ra mpiandry ny Israely, Agnao ze mitarika an'i Josefa ho toy ny andian'ondry; Agnao ze mitoatsa eo ambonin'ny Kerobima, mamirapiratsa eo aminay!
2
Eo imason'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ampiharo ny fahefanao; miavia de vonjeo agnay.
3
Andriamagnitsa o, ampodiano agnay; ampamirapirato aminay ny tavanao, de ho voavonjy agnay.
4
Ry Yaveh Andriamagnitsa tompon'ny rehagna, sy viana Agnao ro hasiaka amin'ny olonao lehe mivavaka reo?
5
Agnao efa namahagna andreo tamin'ny mofon-dranomaso sady nagnome andreo ranomaso fatratsa hosotroany.
6
Manao anay ho raha hifandirana ho an'ny namany aminay Agnao, ary ny fahavalonay mihehy ny momba anay eo amindreo.
7
Ry Andriamagnitsa tompon'ny maro o, apodianao agnay; ampamirapirato aminay ny tavanao, de ho voavony agnay.
8
Agnao nitondra voaloboka avy tagny Egypta; ko nandroaka reo firenena sy namboly anzany.
9
Nagnadio ny tany ho amin'zay Agnao; nitombo faka zay de nameno ny tany.
10
Voarakotsy ny alokaloka ny tendrombohitsa, reo sederan'Andriamagnitsa alofan'ny sapany.
11
Naparitany hatagny amin'ny ranomasina reo sapany de ny sakeliny tamin'ny Ony Efroata.
12
Nahona ro noravanao ny mandany mba hiotazan-dreo ze mandalo aby ny voany.
13
Reo lambo hatagny agn'ala manimba anizay, de ny bibin'ny saha mihinagna anizay.
14
Mipodiana, Andriamagnitsa tompon'ny maro o; tsinjovy hategny an-dagnitsa de diniho sy karakarao ty voaloboka ty.
15
Ty ro fakany ze nambolen'ny tagnanao ankavagnana, ny sampany ze nampitsirianao.
16
Dinoro zay sady tinapaka; maty nohon'ny fahasiahana reo.
17
Ny tagnanao anie ho eo amin'ny olon'ny tagnanao ankavagnana, zanak'ona ze nampahirezinao ho Anao.
18
De tsa hiala Aminao agnay; vilomy ndraika agnay, de hangaika ny agnaranao.
19
Yaveh Andriamagnitsa tompon'ny maro, ampodiano agnay, ampamirapirato aminay ny tavanao, de ho voavonjy agnay.