1
Andriamagnitsa ô,firenen-kafa to efa avy eo amin'ny lovanao; efa voaloton-dreo by tempolinao masina ; efa nanao an'i Jerosalema hoantontam-pandravana reo.
2
Efa nagnome ny fatin'ny mpanomponao ho hanin'ny vorogna reo, ny nofon'olonao matoky ho an'ny bibin'ny tany.
3
Efa nakororokandreo salamin'ny rano magnodidigna an'i Jerosalema ny ràn-dreo, ro tsa mba nisy ona nandevigna andreo.
4
Afa-baraka amin'ny namanay mihintsy agnay, eso sy fihomezana ho an-dreo ze magnodidigna anay.
5
Sy viana, Yaveh o? De hiegnina hasiaka aminay hiany mandrakizay ve Agnao? Sy viana ke ro handoro salamin'ny afo?
6
Arotsaho amin'ny firenena ze tsa mahalala anao sy amin'ny fanjakana tsa manao ny fiantsoana amin'ny agnaranao ny fahatizeranao.
7
Fa efa nandevogna an'i Jakoba sy nandrava ny tanànany reo.
8
Aza mitagna ny fahotan-dreo razam-benay hanohitsa anay; aoka ny asan'ny famindram-ponao ro ho avy aminay, fa tena osa agnay.
9
Apeo agnay, Andriamagnitsy ny famonjenay, noho ny amin'ny voninahitsy ny agnaranao; vonjeo agnay sady mamelá ny helokay nohon'ny agnaranao.
10
Nahoana reo firenena reo ro tokony hitarogna hoe:"Aia ny Andriamagnitsan-dreo?" Aoka ny ràn'ny mpanomponao ze natrotraka ro hamaly faty reo firenena eo agnatrehan'ny masonao.
11
Aoka ny fisenton'ny gadra ro ho avy eo alohanao; amin'ny fhalibiazan'ny fahefanao ro hitagnana reo zanaky ny fahafatesana ho velogna.
12
Valio impito heny eo am-pofoan'ny firenena akaiky anay mihoatsa ny faniratsirana ze efa naniratsirany Anao, Tompo o.
13
Fa agnay olonao sy ondry fiandrinao de hagnatitsa fisaorana Agnao mandrakizay. Hagnambara Anao agnay amin'reo taraka aby.