Toko faha 78
1
Maskila nataon'i Asafa. Mihinoa ny fampianarako, ra vahoakako, tainò reo tarogna aloaky ny vavako.
2
Hamoha ny vavako amin'ny fagnoharana aho; hihira mahakasika ny zava-miafigna momban'ny raha taloha aho.
3
Zay de raha 'fa henonay sy 'fa nianaranay, raha efa tinaron'ny razambebay anay.
4
Tsa hanitrika an'reo amin'ny taranany agnay. Hitarogninay amireo taranaka mandimby reo ny asa mendrim-piderana nataon'i Yaveh, ny heriny, de reo raha mahagaga efa vitany.
5
Fa nametraka didim-mpagnikena tamin'i Jakoba I, sady nanendry lalána tagny Israely. Nandidy reo razambenay I mba hampianatsa an'ireo amin'ny zanany.
6
Nandidy an'zay I mba hahalalan'reo taranaka handimby reo didiny, de reo zanaka vona tsa teraka , zay tokony hitory anzao amin'ny zanany hiany.
7
DE hametraka ny fagnatignany amin'Andriamagnitsa reo ko tsa hagnadigno ny asany, fa hitandrigna ny didiny.
8
ko de tsa ho sahalamin'ny razambeny, ze mahery loha sy taranaka mpikomy, taranaka tsa mahintsy fo, tsa nanolotsa ny fagnahiny sy tsa nitoky tamin'Andriamagnitsa reo.
9
Reo Efraimita de nitondra tsipìka, feny nihemotsa reo tamin'ny andron'ny ady.
10
Tsa nitandrigna ny fagnekena tamin'Andriamagnitsa reo,sady nandà ny nankatò ny lalàny.
11
Nagnadigno reo asany, reo raha-mahazendagna efa natorony andreo.
12
Nagnadigno reo raha maha-zendagna ze nataony teo imason'ny razambeny, tagny amin'ny tany Egypta, tany amin'ny tanin'i Ziona reo.
13
Nagnasaraka ny ranomasina I sady nitondra andreo namakivaky anizay; nataony nitsangagna salamin'ny manda ny rano.
14
Rahogna ro nitarihany Andreo sy atoandro, tamin'ny afo mazava sy aligna.
15
Vinakiny ny vatolampy tagny agn'efitsa, moment rano be fatratsa reo, ampy haminoana ny ranomasina.
16
Nampikororoka rano avy tamin'ny vatolampy I sady nataony nogororoka Tahaka ny renirano zay.
17
Nefa de vona nanohy nanota taminazy hiany reo, fikomiana tamin'ny Avo indrindra tagny agn'efitsa.
18
Nihatsy ady an'Andriamagnitsa reo, tamin'ny alalan'ny fangatahan-kanina mba hahavoky andreo.
19
Nitarogna nanohitsa an'Andriamagnitsa reo; zao ro nataon-dreo hoa:" Afaka mamelatsa latabatsa ho anay agny agn'efitsa tokoa ve Andriamagnitsa?
20
Jireo, lehe namaky ny vatolampy I, deniraraka ny rano sady nikororoka nandifotsa. Feny afaka magnome mofo koa ve I? Hamatsy hena ho an'ny vahoakany ve I?"
21
Sy ren'I Yaveh zay, de nasiaka I; de dinorony tamin'ny afo Jakoba,sady namely ny Israely ny hasosorany,
22
satria reo de tsa nino an'Andriamagnitsa sady tsa natoky ny famonjeny.
23
Feny nandidy ny habakabaka ambony I sady namoha ny varavaran'ny lagnitsa.
24
Nandraraka mana salamin'ny ranon'oragna mba hohanin-dreo I, sady nagnome vary andreo hatagny an-dagnitsa.
25
Nihinagna ny mofon'anjely by vahoaka. Nandefa hanim-be ho andreo I.
26
Nampitsoka ny rivotsa avy hatagny atsignanana tegny amin'ny habakabaka I, sady tamin'ny alalan'ny heriny ro nibekoany my rivotsa hatagny atsimo.
27
Nanotraka hena teo amindreo tahaka ny vovoka I, vorogna be salamin'ny fasi-dranomasina.
28
Reo de nitrotraka teo ampovoan'ny tobin-dreo, nagnodidigna by laing aby.
29
De nihinagna reo ko voky. Nomeny andreo ze niriany fatratsa.
30
Feny vona tsa afa-po hiany reo; ny haniny nefa vona tegny am-bavany.
31
Ko de namely andreo ny fahatezeran 'Andriamagnitsa ary namono ny matanjaka indrindra tamindreo. Nandalo ny kilonga lahin'Israely I.
32
Leko de teo aza zay,de vona nanota hiany reo, tsa nino reo asa mahazendagna.
33
Noho zay Andriamagnitsa nagnafohy ny androndreo; ary feno horohoro ny taognany.
34
Lehe nampahorian'Andriamagnitsa reo, de nanomboka nitadia Anazy, sady nipody nitadia Anazy fatratsa.
35
Ho tsaroan-dreo fa Andriamagnitsa ro vatolampin-dreo sady Andriamagnitsa Avo Ndrindra ro mpamonjy anazy.
36
Feny mody manao vava malemy Aminazy reo sady handenga Aminazy amin'ny fitarognandreo.
37
Satria ny fondreo vona tsa niorigna tanteraka taminazy, sady sady reo tsa nitagna ny fagnikeny.
38
Fa I kosa, amin'ny maha mpamindra fo, de namela ny helo-dreo ro tsa namotika andreo. Eka, matetika I ro mitagna ny hasosorany, ra sady tsa nagnetsika ny fahavignirany aby manotolo.
39
Tsaroany fa reo de tamin'ny nofo, rivotsa mandalo sady tsa mipody koa.
40
Impiry moa reo ro nikomy hanohiotsa Anazy tagny agn'efitsa sady nampalahelo Anazy tagny amin'ny tany ngazagna!
41
Nandragotsa an'i Yaveh hiany ko roso nanafitohigna an'i Ray Masin'Israely.
42
Tsa nisaigna ny amin'nby heriny reo, tamin'ny nagnavotany andreo tamin'ny fahavalony,
43
lehe nagnatanteraka reo famantarany mampihorohoro tagny Egypta sy reo raha mahazendagna tagny amin'ny faritanin'i Ziona I.
44
Navadiny ho rà ny onin'i Egypta mba tsa hahafahandreo misotro eo amin'ny renirano.
45
Nandefa andian-dalitsa nandevogna andreo I sy sahogna niely tamin'ny tanindreo.
46
Nomeny ny sompanga ny fambolen-dreo ny sasany nomeny valala.
47
Pinotiny tamin'ny havandra ny voalobon-dreo sady ny aviaviny tamin'ny havandra be.
48
Nandraraka havandra tamin'ny biby fiompin-dreo sy varatsa tamin'ny ondry aman'osin-dreo I.
49
Nanjera andreo tamin'ny firihetan'ny fahasosorany. Nandefa ny fahavignirana, hatizerana, sady fahoriana tahaka ny andiany mitondra loza I.
50
Nagnamarigna ny lalagna ho an'ny fahatizerany I; tsa niaro andreo tamin'ny fahafatesana I; fa nanolotsa andreo amin'ny areti-mandringagna.
51
Vinonony aby ny lahimatoa tao Egypta , ny voalohan-teraky ny herin-dreo tao an-dain'i Hama.
52
Nitondra ny olony nienga salamin'ny ondry I sady nitarika sndreo tagny agn'efitsa salamin'ny andian'ondry.
53
Niferiny am-pilamignana reo ko tsa natahotsa, fa ranomasina nandifotsa ny fahavalony.
54
Nitondra an-dreo tagny amoron'ny tany masina I,tamizay tendrom-bohitsa zay hazan'ny tagnany ankavagnana zay.
55
Drinokany reo firenena teo alohan-dreo sady tinendriny ho lovany. Nampitoatsa reo fokon'israely tao an-dain-dreo I.
56
Nefa nandrangotsa sy nandá an'Andriamagnitsa Avo Ndindra reo sady tsa nitandrigna reo didy masiny.
57
Tsa natoky reo sady nivadika salamin'ny razany; nania salamin'ny tsipìka manjiona reo.
58
Satria reo nampasiaka Anazy tamin'ny fitoerana avon-dreo sady nihantsy ny hasarotam-piarony tamin'ny sampy.
59
Sy nandre an'zay Andriamagnitsa, de nasiaka sy nandà tateraka an'Israely.
60
Namela ny fitoerana masina tao Silo I, de ny lay ze nitoerany teo amin'ny vahoaka.
61
Namela ny tanjany ho babo I, ro nagnome ny voninahiny ho eo an-tagnan'ny fahavalo.
62
Nanolotsa ny olony ho amin'ny sabatsa I, ary nasiaka tamin'ny lovany.
63
Ny afo nandevogna ny kilongalahiny, ary ny kilongampelany tsa mba nanagna hira fampakarana.
64
Lavon'ny sabatsa reo mpisorognany, sady tsa naha-tomagny reo mpitondrategnan-dreo.
65
Sy ahateo de nifoha salamin'ny mpiady mangaingaika nohon'ny divay.
66
De nandroaka reo fahavalony I; ary nametraka an-dreo ho amin'ny hegnatsa mandrakizay.
67
Nolaviny ny lain'i Josefa, sady tsa nifidy ny fokon'i Efraima I.
68
Ny fokon'i Joda sy ny tendrombohitsa Ziona tiany ro nofinidiny.
69
Nagnorigna ny fitoerany masina salamin'ny lagnitsa i, ary salamin'ny tany ze efa naoriny mandrakizay.
70
Nifidy an'i Davida, mpanompony I, ary nagnalaka anazy avy tagny am-balan'ondry.
71
Nagnalaka anazy avy tamin'ny fagnarahana reo ondry vavy miaraka amin'ny zanany I, sady nitondra anazy ho mpiandry an'i Jakoba , vahoakany,vahoakany, sy an'Israely, lovany.
72
Niandry anazy tamin'ny fahitsian'ny fony i Davida, ary nitondra andreo tamin'ny fahaizan'ny tagnany.