Toko faha 76

1 Ho an'ny mpiventy hira ,amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Asafa, tonon-kira. 2 Nampahafantatsa ny tegnany tao Joda Andriamagnitsa ; lihibe ao Israely ny Agnarany. Ao Salema ny lainy; ao Ziona ny toerana fonegnany. 3 Tagny I ro nanapaka reo zana-tsipìkan'ny tsipìka, ny ampinga, ny sabatsa , reo fitaovam-piadiana hafa. Sela 4 Mamirapiratsa ny fahazavanao sady mitarogna ny voninahitsao Agnao, lehe mirorogna hatagny amin'ny tendrombohitsa, tagny amin'ze namonoanao ny niharam-boignanao. 5 Voababo ny mahery fo; ko renoka reo. Tsa afa-nanohitsa ny mpiady aby. 6 tamin'ny fitarognanao mahery, Andriamagnits'i Jakoba, de samy renoky ny torimaso na mpidingigna na ny soavaly. 7 Agnao, eka Agnao,ro hatahorana; ia ro afaka hitsangagna eo imasonao sy masiaka Agnao? 8 Avy hatagn'an-dagnitsa ro nampandrinesanao ny fitsarannao; natahotsa sy nangigna ny tany 9 lehe igny Agnao, Andriamagnitsa, nitsangagna hagnatanteraka ny fitsarana sy hagnavotsa ze nampahorian'ny tany. Sela 10 Hitondra fiderana ho Anao tokoa ny fitsaranao masiaka amin'olombelogna; tananao ho an'ny tegnanao ny sisa amin'ny fahatezeranao. 11 Manaova voady amin'Yaveh Andriamagnitsao de tàno. Hitondra fagnomezana ho Anazy ze hatahorana anie reo ze magnodidigna Anazy aby manotolo. 12 Manapaka ny fagnahin'ny andriana I; sady hatahoran'reo mpanjakan'ny tany.