Toko faha 74

1 askila nataon'i Asafa. Andriamagnitsa o, nahoana ro de mandà anay mandrakizay agnao? Nahoana ro de mirehitsa amin'ny ondrin'ny fihinan'ahitsanao ny fahatizeranao? 2 Tsarò ny ona, zay dinoditsanao tamin'ny fotoagna taloha, ny foko zay efe navotanao ho lovanao manokagna,sy ny tendrombohits'i Ziona,ze ipitrahanao. 3 Miavia hijery ny faharavana tateraka, sy ny fahasimbana manotoloze nataon'ny fahavalo tamin'ny fitoerana masina. 4 Mierogna eo egnivon'ny toerana voatondronao reo mpifagnandrigna aminao;mametraka ny saignan'ny adiny. 5 Nanapatapaka amin'ny famaky salamin'ny ala mikitroka reo. 6 Namotipotika sy nadrodagna reo sikotsa aby manotolo; vinakin-dreo tamin'ny famaky sy tatangnana. 7 Dinoron-dreo ny fitoeranao masina; manimbazimba ny fonegnanao,mangembogna anizay amin'ny tany. 8 Hoy reo anaka-po hoe: "Ho potehinay manotolo reo." Noroandreo aby ny toeranao fihaognana tegny amin'ny tany. 9 Tsa mahita famantarana koa agnay; tsa mahita mpaminany koa, ary tsa misy mahalala aminay ho mpaka amiviana zao. 10 Ho mpaka amiviana, Andriamagnitsa o, handifasandreo fahavalo opa agny Aminao? Moa dia hitarom-dratsy Agnao mandrakizay ve reo? 11 Nahoana Agnao ro mitagna ny tagnanao, de ny tagna-kavananao? Alao tagnaty lamba ny tagna-kavananao ka ringano reo. 12 Ka Andriamagnitsa de Mpanjakako efa hatramin'ny taloha, mitondra famonjena amin'ny tany. 13 Agnao ro nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao; Agnao ro namotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina. 14 Agnao ro namotipotika ny lohan'ny leviatana; Agnao ro namelona azy reo velogna tagny agnefitsa. 15 Agnao ro namoaka loharano sy ny riaka, Agnao ro nandrindra ny ony mikoriana. 16 Agnao ny andro, Agnao koa ny aligna; Agnao ro nametraka ny masoandro amam-bolagna amin'ny toerany. 17 Agnao ro efa nametraka reo vaza-tany rehetra. Agnao ro efa nanao ny fahavaratsa sy ny ririnina. 18 Tadidio reo naniratsiran'ny fahavalo Agnao, ry Yaveh, sy reo olo gegy ze nitaron-dratsy ny Agnaranao. 19 Aza apetraka ao amin'ny bibidia ny ain'nyvoromailalanao. Aza adigno mandrakizay ain'ireo ona nampahoriana. 20 Tadidio ny fanekenao, fa ny faritsa maizignia amin'ny tany de feno toeran'ny herisetra. 21 Aza avela hiverigna amin'ny hegnatsa ny nampahoriana; avelao hihoby ny Agnaranao ny mahantra sy nampahoriana. 22 Mitsangana, Andriamagnitsa o! arovy mihintsy ny voninahitsao; tsarovy ny fomba magneson'ny gegy Agnao andro lava. 23 Aza magnadino ny feon'ireo mpifaninana Aminao nany tabatabandreo ze mihatsy Agnao tsa ankiato.