Toko faha 64

1 Ho an'ny mpiventy hira. salamo nataon'i Davida. Taino ny feoko, Andriamagnitsa o! taino ny fitaraingnako; arovy amin'ny tahotsa ny aiko. 2 Asitriho amin'ny teti-dratsy miafin'reo mpanao ratsy iaho, amin'ny tabataban'ny mpanao heloka. 3 Efa nandragnitsa ny lelany salamin'ny sabatsa reo; efa magnenjagna ny zanatsipikany reo de ze mitarogna mangidy, 4 mba hahafahandreo mitifitsa ny ona ze tsa manatsigny hatagny amin'ny toerana miafigna; tsa apoezina ro itifirandreo anazy eko tsa matahotsa na ina na ina. 5 De makahery ny tegnany tamin'ny teti-dratsiny reo niara-nidinika mangigna ny hametraka ny fandrika reo; hoy reo hoe:"Ia ro hahita atsika?" 6 namorogna teti-dratsy i; "Efa vitanay,": hoy i," ny tetika matipaika."Ny agnatin'ny eritseritsany fon'ona de laligna. 7 Nefa hikendry andreo Andriamagnitsa; ho voaferin'ny tsipikany i. 8 Ho tafitohigna reo, satria ny leleny hiany ro manohitsa anazy; ze mahita anazy de hagnifikifi-doha. 9 Ny ona aby de hatahotsa eko hilaza ny asa ben'Andriamagnitsa. Hieritseritsa am-pandrena zay efa nataony reo. 10 Ho faly amin'Yaveh ny marina eko hialoka Aminazy; ny mahitsy fo hiriharihana Aminazy.