1
Hiran'i Davida. Ho anao,Andriamagnitsa agny Ziona, ro andrazan'ny vavakay; hagnatanteraka ny voadinay Aminao agnay.
2
Agnao zay miheno vavaka, ho avy eo aminao eo aby ny nofo rehetra.
3
Reo heloka haandresy antsika; lehe reo fandikan-dalanatsika, de hamela an'reo Agnao.
4
Samnbatsa ny ona ze nisafidy handriny Anao mba hahafahany mivelogna eo an-kianjanao. De ho afa-po ny amin'ny hasoan'ny tragnonao, ny tempolinao masina agnay.
5
Amin'ny fahamarinana ro hamalianao agnay amin'ny fanaovana reo raha mahazendagna, Andriamagnitsy ny famonjenay; Agnao ze tokin'ny fiafaran'ny tany aby sy ny an'reo ze ;lavitsa ny ranomasina.
6
Fa agnao ro nagnamafy origna reo tendrombohitsa, Agnao ro manao fehi-troka amin'ny hery.
7
Agnao ro mampangina ny fieron'ny ranopmasina, ny fieron'ny onjany, de ny tabataba'ny vahoaka.
8
Reo ze monigna agny amin'ny faran'ny tany de matahotsa ny amin'ny porofon'ny asanao; Agnao ro mampifaly ny atsignanana sy ny andrefana.
9
Avy hagnavotsa ny tany Agnao; tondrahanao an'zay; de hampitomboanao fatratsa; feno rano ny onin'Andriamagnitsa;mamatsy voa ho an'olombelogna Agnao sy avy nagnomagna ny tany.
10
Nanondraka rano ny tany voaasa ao agnao; nametraka reo sisin'ny tany voaasa Agnao; nagnalefaka zay ranon'oragna Agnao; mitahy reo tsimoka eo amin-dreo Agnao.
11
Manarogna ny taogna amin'ny fahasoavanao Agnao; reo lalagna afaran'ny kalesanao de mitete fahatavizana amin'ny tany.
12
Reo ahitsa ao agn'efitsa de mitete ando, reo havoagna de mitafy fifaliana.
13
Feno ondry aman'osy ny tany fihinanam-bilogna; voarakotsa voa koa ny lohasaha; mihiaka fifaliana reo ary mihira.