Toko faha 63

1 Andriamagnitsa , Agnao ro Andriamagnitso! Mitadia Anao fatratsa aho,mangetaheta Anao ny fagnahiko, ery ary magniry Anao ny nofoko, eo amin'ny tany maigna sy karakaina ze tsa misy rano. 2 De efa Anao tao agnatin'ona masina aho mba hahita ny herinao sy ny voninahitsao. 3 Satria soa noho ny fiaignana ny famindram-ponao, de hidera Anao ny somiko. 4 Ko de hisaotsa Anao aho lehe vona velogna koa; hanandratsa ny tagnako amin'ny Agnaranao aho. 5 Zey de salamin'ny hoa iaho nihinagna hanina nisy tsoka sy sabora; amin'ny somiko ravoravo ro hiderako Anao, 6 sy mieritseritsa ny momba Anao eo am-pandrena aho de misaintsaigna Anao sy aligna. 7 Fa efa famonjena anahy Agnao, de amin'ny aloky ny elatsaoro iravoravoako. 8 Mifikitsa aminao aho; manohagna anahy ny tagnanao ankavagnana. 9 Fa ze mitadia hanimba ny fiaignako de hirorogna agny amin'ny tapany ambany ndrindran'ny tany; 10 hatolotsa eo amin'ny ze mampiasa ny sabatsa egny an-tagnany reo, de ho roso sakafo ho an' ny amboahaolo reo. 11 Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamagnitsa; ny ona aby ze mianiagna Aminazy de hirehareha Aminazy,fa ny vavan-dreo ze milaza lenga de hikombogna.