1
Miandry an'Andriamagnitsa rery am-pahanginana iaho; hataminazy ny famonjena anahy.
2
I rery ro vatolampiko sy famonjeko; I ro fiarovana ho anahy; tsa hangozohozo tokoa aho.
3
Mandra-pahoviana, agnareo aby, ro hanafika ona, mba hahafahanareo mampihozohozo anazy tahaka ny manda mirogna na fefy mihozongozogna?
4
Nihaogna taminazy rery reo mba hampihetry anazy amin'ny fitoerany be voninahitsa; te mitarogna lenga reo;mitsodrano anazy amin'ny vavany reo nefa magnozogna anazy agny am-pony. Sela
5
Miandry am-pahanginana an'Andriamagnitsa rery hiany iaho; fa mitoatsa agny Aminazy ny fagnategnako.
6
I rery hiany ro vatolampiko sy famonjena ho anahy; I ro fiarovako avo; de tsa hangozohozo aho.
7
Ao amin'Andriamagnitsa ny famonjena anahy sy ny voninahitso; ny vatolampin'ny heriko sy fialofako de ao amin'Andriamagnitsa.
8
Matokia Anazy amin'ny fotoagna rehetra, agnareo vahoaka;loaro eo alohany eo ny fonareo; de ho fialofantsika Andriamagnitsa. Fiatoana sy fiderana.
9
Tsa misy dikany ny ona ambany,de reo ona ambony de lenga; Lehe lanjaina miaraka,de mevagna noho ny tsa misy reo.
10
Aza matoky ny fampahoriana na fandrobana; de magnategna harena tsa misy dikany, satria hilanja ny vokany reo; aza magnakigna ny fonao amindreo.
11
Efa nitarogna ndraika mandeha Andriamagnitsa, indroa ro nandrasako ny hoe: an'Andriamagnitsa ny hery.
12
Agnao hiany koa, Tompo, ro fagnekena mahatoky, fa Agnao ro mamaly ny ona tsiraindraika avy amin'ze vitany.