Toko faha 61

1 Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. 2 HinĂ² ny fitaraignako, Andriamagnitsa o; atreho ny fivavako. 3 Hatamin'ny faran'ny tany ro hangehako Anao sy feno ny foko; tariho agny amin'ny vatolampy ze avo ndrindra noho iaho aho. Fa Agnao ro efa fialofana ho anahy, fiarovana mahery amin'ny fahavalo. 4 Avilao aho hitoatsa ao amin'ny tabernakelinao mandrakizay! Avilao aho hialoka ambany aloky ny elatsao. Sela 5 Fa Agnao, Andriamagnitsa o, ro efa nandre ny voadiko, efa nagnome anahy ny lovan'ny ze nagnome voninahitsa ny Agnaranao Agnao. 6 Hampateza ny fiaignan'ny mpanjaka Agnao; ho salamin'ny taranaka mifandimby ny taognany. 7 Hitoatsa eo agnatrahan'Andriamagnitsa mandrakizay i. 8 Hihira fiderana ho an'ny Agnaranao mandrakizay iaho mba hahafahako magnatanteraka reo voadiko isanandro.