Toko faha 54

1 Vonjeo amin'ny agnaranao aho Andriamagnitso eko tsarao amin'ny herinao. 2 Taino ny fivavako Andriamagnitso o; anongilagno ny sofina reo tenin'ny vavako. 3 Fa ona hafa firenenaro mijoro manohitsa anahy,eko lihilahy tsamisy indrafo ro nagnejika ny aiko; tsa nametraka an'Andriamagnitsa teo alohan'reo. Sela 4 Indro,Andriamagnitsa ro mpamonjiko; ny Tompo irery ihany ro manohagna anahy. 5 Hamaly ny ratsy nataon'reo fahavaloko I; aringano ireo, amin'ny fahatokianao! 6 Amin'ny fanatitsa an-tsitrampo hanaovako sorogna ho Anao; fisaorana fo atolotso ho Anao;ry Yaveh, fa soa zay. 7 Satria namonjy anahy tamin'ny loza aby manotolo I; efa nahita fandresena tamin'ny fahavaloko ny masoko.