Toko faha 53

1 Ho an'ny mpiventy hira; atao Mahalata. Masikilan'i Davida. Ny gegy manao anakampo hoe: "Tsa misy Andriamagnitsa." Mpanao ratsy aby reo de nahavita heloka fahavetavetana; tsa misy manao soa. 2 Miondrika mijery ny zanak'olombelogna hatagny an-dagnitsa Andriamagnitsa mba hizaha lehe misy mahatakatsa, ze mitadia Anazy. Fa niholaka aby reo. 3 Niara-niolaka ho mpanao ratsy aby reo.Tsa misy manao soa ,leko raika aza. 4 Moa tsa mahalala ve ny mpanao ratsy tsa managna fahazavan-tsaigna,de ze mandevogna ny onako salan'azy mihinagna mofo de tsa mangaika an'Andriamagnitsa reo? 5 Tagnaty tahotsa lihibe reo, leko tsa nisy antony tokony hampatahotsa; fa Andriamagnitsa hanapatapaka ny taolan'ny ze hitoby hanohitsa anao; ny ona salan'zay de halaim-baraka satria efa nolavin'Andriamagnitsa reo reo. 6 Enga anie ho avy agny Ziona ny famonjena ny Israely! Sy ferin'Andriamagnitsa mipody hatamin'ny fahababoana ny onany,de ho ravoravo i Jakoba de ho faly i Israely!