Toko faha 52

1 Nahoana agnao ro mirehareha amin'ny fanaovan-dratsy, ry lilahy mahery? Avy isan'andro ny famindram-pon'Andriamagnitsa. 2 Mikasa famotehana ny lelanao salamin'ny hareza maragnitsa, miasa amim-pitaka. 3 Te ratsy mihoatsa ny soa agnao de mandenga salan'ny ze milaza ny fahamarinana. Sela 4 Te ny tarogna ze mandevogna ny hafa aby, agnao ro lela mpamitaka. 5 hamotika anao salamiizay koa anie Andriamagnitsa; hagnalaka anao I ko hagnongotsa anao hiala amin'ny lainao tsa ho amin'ny tanin'ny velogna. Sela 6 Ny marina hijery, de hatahotsa, himehy anazy reo ko hitarogna hoe: 7 " Itito hekana, ny lihilahy tsa nanao an'Andriamagnitsa ho fialofany,fa nitoky tamin'ny fahamaroan'ny hareny, de nahery fo i namotika ny hafa." 8 Fa lehe aho aloha,de salamin'ny hazon'oliva an-dragnon'Andriamagnitsa ao aho; hatoky ny fagnikena mahatokin'Andriamagnitsa mandrakizay doria aho. 9 Hagnome sitraka Anao mandrakariva aho amin'ze vitanao. Hiandry ny Agnaranao eo amin'ny fagnatrehan'ny vahoakanao masina aho, satria soa zay.