Toko faha 51

1 Mamindra fo aminahy, Andriamagnitsa o, noho ny fagnikenao mahatoky; noho ny amin'ny hamaroan'ny asam-pamindram-ponao, vovno ny fahadalana nataoko. 2 Sasao an-tsakany sy an-davany iaho mba ho afa-keloka de diovo amin'ny fahotako. 3 Fa fantako ny heloko, ary de alohako eo mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao de taminao rery, ro efa nanotako sy nahavitako raha ratsy teo imasonao; fa mahintsy Agnao lehe mitarogna; ro marina sy mitsara 5 Itito, teraka tamin'ny heloko iaho; lehe vona notorotoronin-dreniko, de efa tamin'ny fahotana aho. 6 Itito, magniry fahamendreham-pitokisana ato am-poko Agnao; ato am-poko ro hampahafantaranao anahy fahendrena. 7 Diovo hysopa aho,de ho madio; sasao aho,de ho fotsy mihoatsa ny oram-panala. 8 Ampandreneso haravoana sy fifaliana iaho mba hahafahan'ny taolako notapahinao hifaly. 9 Asitriho amin'ny tavanao reo otako ka afaho aby ny heloko. 10 Amorony fo madio aho, Andriamagnitsa o, ary havaozy fagnahy marina ny ato agnatiko. 11 Aza alavirina amin'ny fagnatrehanao aho, de aza alaina aminahy ny Fgnahinao masina. 12 Ampodiano aminahy ny fifaliana amin'ny famonjenao, de tohagno amin'ny fagnahy vonona aho. 13 De hampianatsa reo mpandika lalàna ny lalanao aho, ko de hiova fo reo mpanota. 14 Mamelà anahy noho ny fandatsahan-drà Andriamagnitsy ny famonjena anahy, de hihiaka ny fifalian'ny fahamarinanao aho. 15 Tompo o, vohao ny somiko, de hagnatoro dera ho Anao aho. 16 Fa tsa mankasitraka sorogna Agnao, leko iaho manolotsa anzao; tsa managna fahafinaretana amin'ny fagnatitsa oroana Agnao. 17 Ny fagnatits'Andriamagnitsa de fagnahy torotoro. Agnao, Andriamagnitsa o, de tsa hanao tsinintsinona ny fo torotoro sy manegnina. 18 Manaova soa amin'ny fankasitrahanao an'i Ziona; Areno ndraika ny mandan'i Jerosalema. 19 De hankasitraka reo sorom-pamarinana, amin'ny fagnatirsa oroana de reo fagnatitsa oroana aby Agnao; ko de hanolotsa ombilahy eo amin'ny alitara ny vahoakanay.