Toko faha 50

1 Salamo nataon'i Asafa. Ny Tsitoha, Andriamagnitsa, Yaveh, de efa nitarogna sy nangaika ny tany manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatamin'ny filitehany. 2 Hatao Ziona, ny lafatsa amin'ny hatsaran-tarehy,ro natoron'Andriamagnitsa. 3 Ho avy ny Andriamagnitsika ko tsa mba hangina; hisy afo mandevogna eo alohany, de tafio-drivotsa be ro magnodidigna Anazy eo. 4 Mentso ny lagnitsa ambony sy ny tany I mba hahafahany mitsara ny vahoakany: 5 "Vorio miaraka aty aminahy reo mahatoky Anahy, de reo ze efa nanao fagnikena taminahy tamin'ny sorogna." 6 Ny lagnitsa hagnambara ny fahamarinany, fa Andriamagnitsa tegnany mihintsy ro mpitsara. Sela 7 Mitainoa, ra ona, de hitarogna Iaho, Iaho ro Andriamagnitsa, ny Andriamagnitsareo. 8 Tsa hagnanatsa anao noho reo sorognanao iaho; alohako hiany ny fagnatitsa horoana ho anao. 9 Tsa hagnalaka ombilahy avy tan-dragnonao ao iaho, na osilahy avy tao am-balanao. 10 Fa Anahy aby ny biby agny agnaty ala, sy ny biby fiompy egny amin'ny havoagna an'arivony. 11 Fantako aby ny voro-manidin'ny tendrombohitsa, de Anahy reo bibidia agny an-tamboho. 12 Lehe noana Iaho, tsa mba hitarogna aminao zao; fa Anahy ny tany, sy ze raha aby eo amininazy. 13 Moa hihinagna ny nofon'ny ombilahy ve Iaho na hisotro ny ran'ny osy? 14 Atoloro an' Andriamagnitsa ny sorom-pisaorana, de efao amin'ny Avo Indrindra reo voadinao. 15 Keho Aho amin'ny androm-pahoriana; de hamonjy anao Iaho, eko hagnome voninahitsa Anahy agnao. 16 Fa hoy Andriamagnitsa amin'ny ratsy fagnahy hoe: " Ina ro ho ataonao amin'ny fagnambarana reo lalako, fa efa noraisinao ho eo am-bavanao ny 17 fagnikeko, satria tsa te ny fagnanarana agnao de magnary ny teniko? 18 Sy mahita mpangalatsa agnao, de miray loha amininazy agnao; mandray anjara amin'ny ze mijangajanga agnao. 19 Atolotsao ho an'ny ratsy ny vavanao, de ny lelanao magnatoro fitaka. 20 Mipetraka agnao de mitarogna manohitsa ny rahalahinao; endrikendrehinao ny zanaka lahin-dreninao. 21 Efa nanao reo raha aby reo agnao, nefa nitagna ny fahangignana aho, nge de mihevitsa manko agnao fa ona mitovy amin'ny tegnanao hiany Iaho. Nefa hagnanatsa anao iaho de hampiakatsa, ho eo amin'ny tandrifin'ny masonao, ny raha aby vitanao. 22 Asio fiheverana soa zao, agnaoze nagnadigno an' Andriamagnitsa, lehe tsa zay de hopotipotehiko agnao, de tsa hisy ho avy hagnampy anao! 23 Ze manolotsa sorom-pihavagnana ro mankalaza Anahy,de ho an'ze mikasa ny lalany ho amin'ny lala-marina ro hanehoako ny famonjen'Andriamagnitsa."