Toko faha 49

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo natao'ny zanaka lahin'ny Kora. Izizao mihinoa, agnareo ona aby; magnangilàgna sofigna,agnareo mponignin'ny tany aby, 2 leko ambany leko ambony, ndreko manan-karena leko misotry miaraka. 3 Ny vavako hitarogna fahindrena de ny fisaignan'ny foko hitarogna fahazavan-tsaigna. 4 Hanongilan-tsofigna amin'ny fagnoharana iaho; hiatomboka amin'ny harpa ny fagnoharako. 5 Nahoana iaho ro tokony hatahotsa ny andro ratsy, lehe magnodidigna anahy ao amin'ny voditongotsa ny heloka? 6 Nahoana aho ro tokony hatahotsa ireo ze mitoky amin'ny harena sy mirehareha amin'ny haben'ny fanagnany? 7 Azo antoka tokoa fa tsa hisy afaka hahavonjy ny rahalahy ndreko hagnome tamby ho an'Andriamagnitra ho an'azy. 8 Fa ny avots'aigna de lafo,ary de tsa misy afaka hagnefa ize tokony hosoloantsika 9 Tsa hisy afa miaigna mandrakizay izanyka tsa ho simba ny nofony. 10 De hahita fahasimbana izy.Ireo ona hendry ho maty;ny gegy sy ny maditsa samy ho levogna sy hamela ny hareny ho an'ny hafa. 11 Ny hevi-dreo de ny havany sy ny toeram ponegnany hitohy mandrakizay,de ho an'ny taranany;akehin'ny arakan'ny agnarany ihany ny tanin-dreo. 12 Fa ny ona,manan-karena,koa de tsa hitoetsa ho velogna,mitovy reo biby ze ho velogna. 13 Ty lalan-dreo ty,ro ho fahagigendreo;kanefa afaran-dreo de tian'olo ny fomba fitarony Sela. 14 Sahalany ondry ro nanindrena andreo ho amin'ny fiaigna-tsa hita,de fahafatesana ro ho piambigna an-dreo.Ny ona marina hanapaka eo amin-dreo sy maraigna,de ho levogna agny amin'ny fiaigna-tsahita ny nofony,de tsa hisy toerana hipitrahandreo. 15 Fa Andriamagnitsa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiaigna-tsahita;handray anahy I Sela. 16 Aza matahotsa leko hisy ona panankarena,de mitombo ny voninahitsy ny ankohonany. 17 Fa sy maty i de tsa hitondra na ina na ina mihintsy,tsa hirorogna hagnorik'azy ny voninahiny. 18 Sy vonaniaigna i de nitahy ny fagnahiny de midera anao ny ona sy miaigna ho an'ny tegnanao agnao. 19 Handeha ho any amin'ny taranak'ireo razany i de tsa ahita ny hazavana mihintsy. 20 Ze managna harena nefa tsa managna fahazavan-tsaigna de tsa misy hafa amin'ny biby,ze ho levogna.