Toko faha 48

1 Lihibe Yaveh ro tokony hoderaina indrindra, ao an-tagnan'Andriamagnitsika eo an-tendrombohiny masina. 2 Avo mahafinaritsa, ny fifalian'ny tany aby, de ny tendrombohits'i Ziona, eo amin'ny ilany avaratsa, ny tanana'ny Mpanjaka lihibe. 3 Andriamagnitsa de efa nampahafantatsa ny tegnany tamin'ny lapany ho fialofana. 4 Fa, itito, ny mpanjaka nibotry; niara-nandalo reo. 5 Nahita an'zay reo,ko de talanjogna; reki-tahotsa, sy nilefa malaky. 6 Nahazo andreo tagny ny fangovitana, de salamin'ny hirifirin'ny apela eo am-piterahana. 7 Amin'ny alalan'ny rovotsa tatsignanana ro hamakianao ny sambon'i tarsisy. 8 Araka ny efa renay, ro hitanay ta an-tananan'i Yaveh tompon'ny maro, ta an-tananan' Andriamagnitsay; hampitoatsa anzay mandrakizay anie Andriamagnitsa. Sela 9 Efa nihevitsa ny momban'ny fagnikena mahatokinao agnay, Andriamagnitsa o, teo apovoan'ny tempolinao. 10 Araka ny Agnaranao, Andriamagnitsa o, de zay koa ro hiderana Anao hatagny amin'ny vazan-tany; feno fahamarinana ny tagnanao ankavagnana. 11 Oka hifaly ny tendrombohits'i Ziona, oka hifaly reo zanaka vavin'i Joda noho ny didinao marina. 12 Mandehana mihodikodigna ny tendrombohitsa Ziona, mihodikodigna aminazy; isao ny tilikambony, 13 hamarino soa ny mandany, de zahao reo lapany mba hahafahanao mitantara anizay amin'ny taranakao ho avy. 14 Fa io Andriamagnitsa io ro Andriamagnitsika mandrakizay doria; I ro ho tari-dalagna ho antsika hatamin'ny fahafatesana.