Toko faha 47

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i zanaka lahin'i Kora. Mitehafa tagnana aby ry vahoaka; mihobia an'Andriamagnitsa amin'ny feon'ny fandresena. 2 Fa Yaveh ro Avo Indrindra ko hatahorana; I ro Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany. 3 Mandresy reo ona ambanitsika eo I de reo firenena ho eo ambany tongotsika. 4 Mifidy ny lovantsika ho antsika I, ny voninahits'i Jakoba ze tiany. Sela 5 Andriamagnitsa ro efa niakatsa tamim-pihobiana Andriamagnitsa, Yaveh tamin'ny feon'ny trompetra. 6 Mihirà fiderana ho an'Andriamagnitsa, mihirà fiderana; mihirà ho an'ny Mpanjakantsika, mihirà fiderana. 7 Fa Andriamagnitsa ro Mpanjaka aby ambonin'ny tany; mihira fiderana amin'ny fahazavan-tsaigna. 8 Manjaka ambonin'ny firenena Andriamagnitsa; mitoatsa ambonin'ny seza fiandrianany masina Andriamagnitsa. 9 Reo andrianan'ny ona miangona ho an'ny vahoakan'Andriamagnits'i Abrahama; fa reo ampingan'ny tany de an'Andriamagnitsa; I ro hasandratsa indrindra.