Toko faha 46

1 Andriamagnitsa ro fialofanay sy herinay, famonjena mahatoky amin'ny fahoriana. 2 Noho zay de tsa hatahotsa agnay, leko de tokony hiova aza ny tany, leko de tokony hihovitsovitsa aza ny tendrombohitsa, 3 leko de mirohondrohogna sy misamboaravoara aza ny ranony, ary leko de mangovitsa miaraka amin'ny fisafoakany aza reo tendrombohitsa. Sela 4 Misy ony ao, ny fikororokany de mampifaly ny tananan'Andriamagnitsa, de ny fitoerana masin'ny tabernakelin'ny Avo Indrindra. 5 Andriamagnitsa ro eo agnivony; tsa ho tafahetsika zao; Andriamagnitsa ro hagnavotsa anazy, de hanao anazy vo mangiran-dratsy I. 6 Nasiaka reo firenena ary voahozongozogna reo fanjakana; nanandratsa ny feony I, niepo ny tany. 7 Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro; ny Andriamagnits'i Jakoba ro fialofanay. Sela 8 Avia jireo ny asan'i Yaveh, ny fandravana ze efa nataony tegny amin'ny tany. 9 Haampiagneniny amin'ny vazan-tany hiany ny ady; mamotipotika ny tsipika I de manapatapaka ny lefogna; magnoro ny ampinga I. 10 Mangina de fantaro fa Iaho ro Andriamagnitsa; Ho asandratsa egny amin'ny tany Iaho; ho asandratsa egny amin'ny tany Iaho. 11 Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro; ny Andriamagnits'i Jakoba ro fialofantsika. Sela