Toko faha 45

1 Mamoaka foto-kevitsa soa ny foko; hovakiako mahery reo teny ze narafitso momba ny mpanjaka, nyn lelak ro penin'ny mpanoratsa mahay. 2 Agnao vona soa mihoatsa ny zanak'olombelogna; fahasoavana ro voararaka eo imolotsao; noho zey de fantanay fa Andriamagnitsa ro efa nitahy anao mandrakizay. 3 Apitraho eo agnilanao ny sabatsao, ry mahery, amin'ny fahalihibiazanao. 4 Amin'ny fahalibiazanao de mandehana amim-pandresena noho ny fahamendreham-pitokisanao, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana; hanoro anao raha mampatahotsa ny tagnanao ankavagnana. 5 Maragnitsa ny zana-tsipikanao;lavo ao ambaninao ny vahoaka; amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjakareo zana-tipikanao. 6 Ny seza fiandriananao, Andriamagnitsa o, de mandrakizay doria; tehin'ny rariny ny tehin'ny fanjakanao. 7 Te fahamarinana Agnao eko mankahala ny faharatsiana; noho zay Andriamagnitsa, Andriamagnitsao, de efa nagnositsa anao tamin'ny diloilon'ny fifaliana mihoatsa noho reo namanao 8 Mamofogna miora aby ny akanjonao,eko kasia; efa nampifaly anao reo valihany ivelan'ny lapa ivory. 9 Reo zanaka vavin'ny mpanjaka de isan'ny apela mana-kaja; eo an-tagnana ankavagnanao ro mijoro ny mpanjakavavy mitafy volamenan'i Ofira. 10 Mitainòa, ra kilongapela, mandiniha de atongilagno ny sofinao; hadinò ny vahoakanao sy ny tragnon-drainao. 11 Amin'ny alalan'izay de higniry ny hasoanao ny mpanjaka, i ro tomponao, hajao i. 12 Ny kilongapelan'i Tiro de ho agny miaraka amin'ny fagnomezana; ny manan-karena amin'ny vahoaka de hila sitraka aminao. 13 Ny zanaka vavin'ny mpanjaka an-dapa ao de be voninahitsa aby; ny fitafiny de natao tamin'ny volamena. 14 Ho ferina eo amin'ny mpanjaka i amin'ny tohitena misy peta-kofehy; reo virijiny, namany ze magnaraka anazy, de ho ferina aminao. 15 Ho tarihina amim-pifaliana sy faharavoana reo; hiditsa an-dapan'ny mpanjaka ao reo. 16 An-dapan'ny razanao ro hisy ny ny zanakao, de hataonao andriana eran-tany. 17 Hampahatsiaro ny agnaranao amin'ny taranakao aby iaho; noho zay ny vahoaka hanolotsa fisaorana anao mandrakizay doria.