Toko faha 44

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny zanaka lahin'i Kora. Maskila. Renay tamin'ny sofinay , Andriamagnitsa o, notarognin'ny razambena taminay ny asa nataonao tamin'ny androndreo taloha. 2 Drinoakanao tamin'ny tagnanao reo firenena,fa nambolenao kosa ny vahoakanay; nampahory ny ona Agnao, fa naelinao ny tagny amin'ny tany ny vahoakanay. 3 Fa tsa azon-dreo mba ho fanagnany tamin'ny alalan'ny saban-dreo hiany ny tany,na ny sandrin-dreo manokana eko tsa nahavonjy an-dreo;nefa ny tagnan-kavagnanao, ny sandrinao,sy ny fahazavan'ny tavanao,satria soa tamin-dreo Agnao. 4 Andriamagnitsa o,Agnao ro Mpanjakako; didio ny fandresena ho an'i Jakoba. 5 Amin'ny alalanao ro hanindrianay reo mpifagnandrigna aminay; amin'ny alalan'ny agnaranao ro hagnosegnosenay andreo,de ze mitsangagna hanohitsa anay. 6 Fa tsa hitoky amin'ny tsipikako aho,na ny fiadiako hagnavotsa anahy. 7 Fa efa nagnavotsa anay tamin'ny mpifaninana taminay Agnao, nampahamegnatsa ny nankahala anay. 8 Ao amin'Andriamagnitsa ro efa nanaovanay ny fireharehanay amin'ny andro lava aby, eko hanolotsa ny fisaorana ny Agnaranao mandrakizay agnay. Sela 9 Fa amizao agnao efa nagnary anay ko mitondra anay tamin'ny fahafaham-baraka , eko tsa nienga niaraka tamin'ny tafikany Agnao. 10 Nampihemotsa anay tamin'ny rafinay Agnao; ekomankahala anay nagnalaka ny harenay ho andreo. 11 Nataonao sahalan'ny ondry voalahatsa ho sakafo agnay eko naelinao tamin'reo firenena reo agnay. 12 Mamarotsa ny vahoakanao tsa amin'ny antony agnao;tsa mampitombo ny harenao agnao tamin'ny fanaovana anzao. 13 Manao anay ho fahasiahan'ny namany Agnao,esoesoana sy hanihanian'ny mpiray vodi-rindrigna nay. 14 Manao anay ho fanirantsirana amin'ny firenena Agnao, de ho loham-pangovitana amin'ona aby. 15 Alohako eo sanandro lava ny fahafaham-baraka,eko mandrakotsa ny tarehiko ny hegnatsako, 16 noho ny fahavalo sy ny mpamaly faty. 17 Avy taminay aby zao raha aby zao;nefa Agnao tsa hadignonay na tsa nankatò ny fagnekem-pivavahanao. 18 Tsa nipody an- dalagna ny fonay; tsa niala ny nlalanao ny dianay. 19 Ny amboadia aza nameno nanay tami'ny aloky ny fahafatesana. 20 Lehe nagnadigno bny agnaran'Andriamagnitsa agnay na namelatsa ny tagnanay tamin'andriamagni-kafa, 21 moasa mitadia an'izay ve Andriamagnitsa? Fa mahalala ny tsiambaratelon'ny fo I. 22 Eka tokoa, nohon'ny Aminao ro hamonoana anay isan'andro lava; eritsiretina ho salan'ny ondry ho famonoana agnay. 23 Mifohaza,nahoana ro mandrimandry agnao Tompo o? Mitsangana aza magnary tateraka anay. 24 Nahoana ro manitrika ny tarehinao eko magnadigno fahorianay sy ny fampahoriana anay agnao? 25 Fa miepo agnaty vovoka agnay; ny nofonay mifikitsa amin'ny tany. 26 Mitsangàna ho famonjena anay ko magnavota anay noho ny fagnekenao mahatoky.