Toko faha 43

1 Omeo rariny iaho, Andriamagnitsa o, eko iadio ny adiko hanohitsa reo firenena tsa arak'Andriamagnitsa. 2 Fa Agnao ro Andriamagnitsy ny heriko. Nahoana ro nagnary anahy Agnao? Nahoana iaho ro handeha hisaona noho ny fampahorian'ny fahavalo anahy? 3 Alifaso ny hazavana sy ny fahamarinanao,avilao reo ro hitarika anahy. Avilao reo hitondra anahy ho agny amin'ny havoagnanao masina sy agny amin'ny fonegnanao. 4 De handeha eo amin'ny alitaran'Andriamagnitsa iaho, eko amin'Andriamagnitsa ze fifaliako ndrindra. Hidera Anao amin'ny harpa iaho, Andriamagnitsa o, Andriamagnitsa o. 5 Nahoana ro mitanondrika agnao, ry fagnahy? Nahoana ro tohigna ato agnatiko agnao? Magnategna an'Andriamagnitsa, fa vona hidera Anazy ze famonjena ho anahy sy Andriamagnitso ndraika iaho.