Toko faha 42

1 Salamin'ny diera magniryu ny rano mikoriagna mahery, ro hetahetako ho Anao, Andriamagnitsa. 2 Mangetaheta an'Andriamagnitsa aho, ho an'ny Andriamagnitsa velogna. Sy viana iaho ro ho avy sy hiseho eo agnatrehan'Andriamagnitsa? 3 Ny ranomasoko ro sakafoko andro aman'aligna, sy ny fahavaloko mitarogna aminahy isan'andro hoe: " Aia ny Andriamagnitsanareo?" 4 Reto raha reto ro ro ntonga de avy an-tsaiko ao lehe mandraraka ny fagnahiko aho: endriaho ny nandehanako niaraka tamin'ny vahoaka sy nitaraignako ho andreo tan-dragnon'Andriamagnitsa tao tamin'ny hikam-pifaliana sy fiderana,fankalazana be ny firavoravoana. 5 Nahoana rto mitanondrika agnao ry fagnahiko? Nahoana agnao ro tohigna agnatiko ao? Magnategnà an'Andriamagnitsa, fa hidera Anazy ze famonjeko ndraika iaho. 6 Andriamagnitso, ny fagnahiko de mitanondrika agnatiko ao, noho zey de mahatsiaro Anao aho avy amin'ny tanin'ny Jordana,amin'ny tendro telon'ny Tendrombohits'i Hermona, eko hatamin'ny havoan'i Mizara. 7 Ny laligna mangaika ny laligna ao amin'ny tabataban'ny riandranonao; ny onjanao sy ny alon-dranonao aby de nanafotsa anahy. 8 Nefa Yaveh handidy ny fagnikeny mahatoky amin'ny atoandro; ny amin'ny aligna de hiaraka aminahy ny hirany, vavaka raika ho an'Andriamagnitsy ny aiko. 9 Iaho hitarogna amin'Andriamagnitsa, vatolampiko hoe:" Nahoana ro de nagnadigno anahy Agnao? Nahoana ro de mandeha misaona noho ny fampahorian'ny fahavalo iaho?" 10 Salamin'ny fisian'ny sabatsa eo amin'ny taolako, ro itarognan'ny mpifagnandrigna aminahy anahy mahery, lehe mitarogna aminahy hiany reo hoe: " Aia ny Andriamagnitsareo?" 11 Nahoana ro mitanondrika agnao, ry fagnahiko? Nahoana ro tohigna ato agnatiko agnao? Magnategna an'Andriamagnitsa, fa vona hidera Anazy ze famonjena ho anahy sy Andriamagnitso ndraika iaho.