Toko faha 41

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatsa ze mahatsiaro ny soa; amin'ny androm-pahoriana, ro hanavotan'i Yaveh anazy. 2 Hiaro sy hitandrigna anazy tsa ho maty Yaveh, eko de ho sambatsa eto an-tany i; tsa hamadika anazy amin'ny sitrapon'ny fahavalony Yaveh. 3 Hanohagna anazy eo amin'ny fandrian'ny fijaliana Yaveh; hanao ny fandrian'ny aretina ho fandrian'ny fagnasitragnana Agnao. 4 Hoy iaho hoe: " Yaveh o, mamindra fo aminaky! Sitragno iaho, fa efa nanota taminao iaho." 5 Mitarogna ratsy anahy reo fahavaloko, manao hoe: "Sy viana i ro ho maty eko ny agnarany ho levogna?" 6 Lehe avy mba hizaha anahy ny fahavaloko, de mitarotarom-poagna i; magnangogna reo faharatsiako i; sy mamela anahy i, de mitarogna ny faharatsiako amin'ny hafa. 7 Reo ze mankahala anahy de mitakoritsika mamely anahy; magnategna ny hagnisy ratsy anahy reo. 8 hoy reo hoe: " Misy aretina mahery mifikitsa aminazy; zao i mandry, de tsa hitsangagna koa." 9 Eka leko de ny namako aza, ze natokisako, ze nihinagna ny mofoko, de efa nanangagna ny ombalahin-tongony hanohitsa anahy. 10 Fa Agnao Yaveh. manàgna famindram-po aminahy de atsangano aho hahafahako mamaly andreo. 11 Amizay ro hahalalako fa faly aminahy Agnao, satria tsa maharesy anahy ny fahavaloko. 12 Lehe ny aminahy, de manohagna anahy amin'ny tsa fivadihako Agnao de hihazogna anahy agnatrehanao mandrakizay.