Toko faha 40

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry tamim-paharetana an'i Yaveh iaho; niheno anahy I eko nandre ny taraignako. 2 Nitondra anahy hagnanika hatao an-davaka mahafandriandragna tao I, tamin'ny fotaka mandrevo tao, ko nampijoro ny tongoko tambonin'ny vatolampy I ro niaro ny diako. 3 Ngnisy hira vaovao tamin'ny somiko i,fiderana ho an'Andriamagnitsika. Be ro hahita anzao ko hagnome voninahitsa Anazy sy hitoky amin'i Yaveh. 4 Tretrika ny ona ze manao an'i Yaveh ho tokiny sy tsa magnome voninahitsa ny mpirehareha na reo ze mpivadika aminazy ho amin'ny lenga. 5 Be, Yaveh Andriamagnitso, reo asa mahazendagna ze efa vitanao, eko tsa tambo isaina ny hevitsao momba anay; leko magnambara sy mitarogna an'reo iaho, de hihoatsan'izao azo isaina reo. 6 Tsa mankasitraka sorogna na fagnatitsa Agnao, fa namoha ny sofiko; tsa mba nangataka fagnatitsa oroana na fagnatitsa noho ny ota Agnao. 7 De hoy iaho hoe: "Itito, avy iaho; voasoratsa amin'ny horognam-boky ao ny momba anahy. 8 Sitrako ny hanao ny sitra-ponao, Andriamagnitsa o; ato am-poko ny lalànao." 9 Efa nagnambara vaovao mahafalin'ny fahamarinanao tamin'ny fiangonan-dihibe iaho; Yaveh o, fantatsao fa tsa nangina tamin'ny fanaovana an'izay ny molotso. (ny vavako) 10 Tsa nakomboko tam-poko ao ny fahamarinanao; efa nolazaiko ny fahatokianao sy ny famonjenao; tsa nokombogniko tamin'ny fiangonan-dihibe ny fagnikem-pahatokianao sy ny fahamendreham-patokianao. 11 Aza manakagna ny asam-pamindram-ponao tsa ho aminahy, Yaveh; aoka ny fagnikenao mahatoky sy ny fahamindreham-patokianao hiaro anahy mandrakariva. 12 Magnididigna anahy ny korontagna ze tsa tambo isaina; nahatratra anahy reo heloko de tsa afaka manao ina mihintsy koa iaho; be noho ny volon-dohako reo, eko rokaka ny foko. 13 Mifalia , Yaveh, amin'ny fanavotana anahy; malakia roa hagnampy anahy Yaveh. 14 Avilao ho megnatsa sy ho diso fagnatignana reo ze mikendry ny aiko mba hagnalaka an'zay. 15 Avilao ho tohigna noho ny fahafaham-barakany, reo manao ny aminahy hoe: " haka!" 16 Fa aoka hiravoravo sy hifaly aminao reo ze mitadia Anao; avilao ze te ny famonjenao hitarogna mandrakariva hoe: " Hoderaina anie Yaveh." 17 Mahantra sy ory iaho; nefa mihevitsa ny momba anahy ny Tompo. Agnao ro famonjena ho anahy eko avy amin'ny fagnavotana anahy Agnao; aza mitaredretsa, Andriamagnitso o.