Toko faha 39

1 Nanapa-kevitsa iaho hoa: " Hitandrigna ze tarogniko iaho mba tsa hanotako amin'ny lelako. Hamehy ny vavako iaho sy eo amin'ny fagnatrehan'ny ona ratsy." 2 nitagna fahangignana iaho; tsa nitarogna iaho leko de tamin'ny fitarognana ny soa aza, de nitombo ny fanaintagnako. 3 Niha -nafana ny foko; sy nihevitsa an'reo raha reo iaho, miledaleda salan'ny afo zey. De nitarogna hiany iaho sy farany. 4 Yaveh o, Tarogno anahy ze fatsan'ny aiko sy ny faran'ny androko sisa. AtorĂ² anahy ny hafoezan'ny androko. 5 Itito fa nataonao salan'ny sakan'ny tagnako fotsiny hiany ny androko , de salan'ny tsa mitohoka eo agnatrehanao ny androm-piaignako. Tokagna hiany fofon'ain'ona aby manotolo. Sela 6 Mandehandeha salamin'ny aloka tokagna ny ona aby, meka hagnango-karena aby ny ona leko tsa fatandreo aby aza ze handray an'zao. 7 Eko niany ,Tompo o, ina ro andrazako? Agnao rery ro faran'ny fagnatignako. 8 Avoto amin'ny fahotako iaho; Aza manao anahy ho fagnakoran'ny gegy. 9 Mangina iaho eko tsa afa-mamoha vava, satria Agnao ro efa nanao an'zao. 10 Apitraho amizay ny fagnasiam-pery anahy; manafotsa anahy ny fitsiofan'ny tagnanao. 11 Sy magnafay ny ona noho ny fahotany agnao, de mandevogna ny raha iriany salan'ny kalalao; azo antoka tikoa fa fa tsa ina ny ona fa raha foagna. Sela 12 Hino ny fivavako, ra Yaveh, eko hino iaho; mihinoa ny tagniko! Aza anapegnana sofigna iaho, fa de salan'ny ona hafa iaho aminao, mifindra-minigna salan'ny razambeko aby. 13 Alao aminahy ny sazinao mba hafahako mimehy heky alohan'ny hafatesako.