Toko faha 38

1 Salamo nataon'i Davida, mba hitondrana fahatsiarovana. Yaveh, aza mitarogna mahery anahy amin'ny fahatizeranao; aza magnasazy anahy amin'ny fahasiahanao. 2 Fa mandefogna anahy ny tsipikanao, de manindry anahy ny tagnanao. 3 Marary nohon' ny fahatizeranao aby ny vatako raimanotolo; tsa misy fahasalamana ny taolako ao nohon'ny fahotako. 4 Fa miparitaka aminahy ny heloko; enta-mavasatsa ho anahy reo 5 Manaitaigna ny feriko eko mamofogna tiren'ny hadalako. 6 Megnatsa iaho sady afa-baraka isan'andro; misaona isan'andro lava iaho. 7 Fa agnatiko ao, de feno firehetana, tsa misy fahasalamana amin'ny nofoko ao. 8 Rokaka aho sady torotoro tokoa; misento nohon'ny fangirifiriakn'ny foko aho. 9 Tompo o, fantatsao ny fagnirina laligna indrindra am-poko ao, eko tsa misy misitrika aminao ny sentoko. 10 Midobodoboka ny foko, miha-malazo ny heriko, pahigna ny fahitan'ny masoko. 11 Ny sakaizako sy ny mpiara-mitory aminahy de magnalavitsa anahy noho ny raha misy aminahy; mijoro mihataka anahy reo namako. 12 Mamelatsa fandrika ho anahy reo ze mikendry ny aiko. Reo ze mikendry ny handratsa anahy de miresaka fahapotehana ko milaza teny fitaka ny tontolon'ny androny. 13 Fa iaho, salamin'ona maregnina ro tsa mahare na ina na ina; salamin'ny ona moagna tsa mnitarogna ina. 14 Salamin'ny lihilahy tsa mandre sy tsa managna valin-teny iaho. 15 Miandry Anao tokoa iaho, Yaveh; hamaly Agnao, Tompo Andriamagnitso. 16 Mitarogna anizay iaho mba tsa ho faly ny fahavaloko. Lehe soloaka ny tongoko, de hanao zava-doza aminahy reo. 17 Fa efa totoitsa iaho, eko manaintaigna hiany. 18 Mieky ny heloko iaho; magnahy ny amin'ny fahotako aho. 19 Nefa be reo fahavaloko; be reo mankahala anahy tsa ahon-tsa ahoana. 20 Mamaly ratsy anahy reo noho ny soa ; mitoraka fiampangana anahy reo leko de nagnorika ny soa aza iaho 21 Aza mamela anahy, Yaveh ; Andriamagnitso, aza magnalavitsa anahy. 22 Miavia malaky hamonjy anahy, Tompo mpamonjiko.