Toko faha 37

1 Salamo nataon'i Davida. Aza masiaka noho reo mpanao ratsy; aza magniry reo ze manao ny tsa marina. 2 Fa ho maigna tsa ho ela salamin'ny ahitsa reo eko halazo salamin'ny raha mitsiry 3 Matokia an'i Yaveh eko manaova ny soa; monegna egny amin'ny tany eko ampitombo ny fahatokiana. 4 Eko eo mankasitraka an'i Yaveh, de homeny anao ze irian'ny fonao. 5 Akino amin'i Yaveh ny lalanao; matokia Anazy, de hiasa ho anao I. 6 Hampiseho ny fahamarinanao salamin'ny mazava I eko ny rariny salamin'ny andro amin'ny mitataovovonana. 7 Mitombegna alohan'i Yaveh eko miandraza Anazy am-paharetana. Aza masiaka lehe misy ona mahomby amin'ny raha ataony, leko manao teti-dratsy i. 8 Aza masiaka sy kivy. Aza matahotsa.Mahatonga korotagna fotsiny zey. 9 Ho tapahana reo mpanao ratsy, fa reo ze miandry an'i Yaveh kosa de handova ny tany. 10 Afaka fotoagna fohy de hanjavogna ny ona ratsy; hijery eo amin'ny toerany agnao, fa i de ho roso. 11 Fa ny malemy fagnahy de handova ny tany eko hisitraka amin'ny fagnambinana lihibe. 12 Ny lihilahy ratsy fagnahy de manao teti-dratsy manohitsa ny marina eko magnidy ny nifiny aminazy. 13 Mimehy anazy ny Tompo, satria hitany fa avy ny androny. 14 Namoaka ny sabany ny ratsy fagnahy eko nagnenjagna ny tsipikany reo tamin'ny opry sy ny mahantra, mba hamono an'ze mahintsy. 15 Handefogna ny fon-dreo manokana ny sabatsan-dreo, eko ho simba ny tsipikan-dreo. 16 Soa lavitsa ny kely anagnan'ny marina noho ny hamaroany an'ny ona ratsy. 17 Fa ho tapahana ny tagnan'ona ratsy fagnahy, satria Yaveh manohana ny ona marina. 18 Yaveh mijery isan'andro isan'andro an'reo tsa manan-tsigny, eko ny lovan-dreo de ho mandrakizay. 19 Tsa ho megnatsa reo sy ratsy ny andro. Sy avy ny mosary, de hanagna ny ampy ho hanina reo. 20 Tsa ho maty ratsy fagnahy. Ho salamin'ny voninahitsy ny saha reo fahavalon'i Yaveh; ho levogna reo eko ho levogna ho setroka. 21 Ny ona ratsy fagnahy de mindragna fa tsa magnapody, fa ny ona marina kosa makaka-tagnana sy magnome. 22 Ze notahian'Andriamagnitsa de handova ny tany; reo ze ozogniny de ho tapahina. 23 Amin'ny alalan'i Yaveh ro hametrahana ny dian'ona , ny ona ze azo bekoana eo imason'Andrioamagnitsa ny lalany. 24 Leko de totoitsa aza i, de tsa mba higetraka, satria mitagna anazy amin'ny tagnany i Yaveh. 25 Efa mba tanora hiany iaho feny antitsa zizao; tsa vona nahita ona marina nilavo lefogna zao iaho leko nangataka mofo ny zanany. 26 Mamindra fo sy mampindragna mandrakariva i, eko ho tahiana ny taranany. 27 Mialà amin'ny ratsy eko manaova ze marina ; de hilamina mandrakizay agnao. 28 Te fitsaràna Yaveh eko tsa mamela ny mpagnara-diany mahatoky. Voaaro mandrakizay reo, fa reo taranaky ny ratsy fagnahy kosa hotapahina. 29 Handova ny tany ny marina eko tsa hiala ao mandrakizay. 30 Ny vavan'ny ona marina de mitarogna fahendrena eko mampitombo fitsaràna. 31 Ny lalàn'ny Andriamagniny de am-pony ao; tsa ho soloaka ny tongony. 32 Ny ona ratsy fagnahy de mijery ny ona marina eko mitadia ny hamono anazy. 33 Tsa hagnary anazy an-tagnan'ona ratsy Yaveh leko hagnameloka anazy sy notsaraina aza i. 34 Miandraza an'i Yaveh eko tandremo ny lalany, de hanadratsa anao I mba ho fanagnanao ny tany. Ho hitanao ny hamongorana ny ratsy fagnahy. 35 Efa nahita ona ratsy fagnahy nampihorohporo ona niely salamin'ny hazo mentso amin'ny taniny iaho. 36 Fa sy nandalo teo ndraika aho, de teo i. Nitadia anazy iaho, fa tsa hita i. 37 Araho maso ny ona tsa mivadika, eko farito ny ona marina; hisy hoavy soa ho an'onan'ny fiadagnana. 38 Ho rigagna tateraka ny mpanota; tapaka ny ho avin'ona ratsy fagnahy. 39 Ny famonjena ny ona marina de avy hatamin'i Yaveh; miaro andreo I amin'ny fotoagnan'ny korotagna. 40 Magnampy sady magnavotsa andreo i Yaveh. Magnavotsa andreo amin'ny ona ratsy I sady mamonjy andreo satria efa nialoka Taminazy reo.