Toko faha 36

1 Hatao am-pony laligna ro hilazan'ona ratsy ny helony, tsa misy fahatahorana an'Andriamagnitsa eo amin'ny masony. 2 Fa mampionon-tegna i, mihevitsa fa tsa ho voasarogna sy ho hankahalaina ny fahotany. 3 Ny tarognany de fahotana sy fitaka; tsa te ho hendry sy hanao soa i. 4 Mitadia fomba hanotana i, lehe mandry eo am-pandrena; manomboka manao raha ratsy i; tsa magnary ny ratsy i. 5 Ny fagnikenao mahatoky, Yaveh, de mipaka amin'ny lagnitsa; eko ny tsa fivadihanao de mipaka amin'ny rahogna. 6 Ny fahamarinanao de salan'ny tendrombohits'Andriamagnitsa; ny fitsaranao de salamin'nylalim-be. Yaveh, Agnao ro mamonjy ny olombelogna sy reo biby. 7 Endriaho e ny hasarobidin'ny fagnikenao mahatoky, Andriamagnitsa ! Mialoka eo ambany aloky ny elatso ny olombelogna. 8 Ho afa-po amin'ny haben'ny hanina an-dragnony ao reo; hamela andreo hisotro amin'ny renirenon'ny fitahianao sarobidy Agnao. 9 Fa Aminao ro misy ny loharanon'aigna ; ao amin'ny fahazavanao ro hahitanay fahazavana. 10 Hitaro tanteraka amin'reo ze mahafantatsa Anao ny fagnekeko mahatoky, ny fiarovanao amin'ze mahintsy fo. 11 Aza avela hagnatogna anahy ny tongotsin'ny mpiavognavogna. Aza avela handroaka anahy ny tagnan'ny ratsy fagnahy. 12 Tegny ro efa nigitrahan'ny mpanao ratsy; nalavondreo de tsa afaka niarigna.