Toko faha 35

1 Salamop nataon'i Davida. Yaveh, miasà amin'ny ze miasa hanohitsa anahy; 2 Reso ny ampinga kitika sy ny ampinga lihibenao; mitsangana ko ampeo aho. 3 Ampiasao amin'ny ze mihaza anahy ny lefogna sy ny famaky fiadianao; tarogno amin'ny fagnahiko hoa: "Iaho ro famonjena anao." 4 Avilao ho megnatsa sy ho afa-baraka reo ze mitadia ny aiko. Avilao hihemotsa sy ho very hevitsa reo ze mitetika hagnisy ratsy anahy. 5 Avilao ho salan'ny akofa (ampombo) agnatin'ny rivotsa reo, lehe mitondra anazy reo anjelin'i Yaveh. 6 Avilao ho mezigna sy malama ny lalan-dreo, sy mandoditsa andreo ny anjelin'i Yaveh. 7 Mametraka harato ho anahy tsa amin'ny antony reo, mihady lavaka ho an'ny aiko tsa amin'ny antony reo. 8 Avilao hamely tampoka andreo ny fandringanana. Avilao ny harato ze napetrandreo mba hanambotsa andreo hiany. Avilao reo higetraka ao, amin'ny faharavany. 9 Nefa hifaly amin'i Yaveh iaho, eko hiravo amin'ny famonjeny. 10 Ny taolako aby hitarogna hoe: " Ra Yaveh, ia ro sahalanao, ze mamonjy ny ory amin'ny ze matanjaka loatsa ho andreo sy ny malahelo eko ny mahantra amin'reo ze mitadia handroba andreo?" 11 Mitsangagna ny vavolombelogna tsa marina; miampanga lenga anahy reo. 12 Mamaly ratsy anahy amin'ny soa ataoko reo. Malahelo iaho. 13 Feny, sy narary reo, de nanao akanjo fisaonana aho; nifady hanina ho andreo tamin'ny fagnondrehana ny lohako teo amin'ny tratrako iaho. 14 Ny alaheloko andreo de salamin'ny alaheloko ny rahalahiko, nitagnondrika salamin'ny misaona io aho. 15 Nefa sy lavo aho, de faly reo sady nivory; niaraka nivory hanohitsa anahy reo, de taitsa aho. Tsa niegnina namely anahy reo. 16 Tsa misy fifagnajagna koa ro nagnesoany anahy; nihidy vazagna taminahy reo. 17 Tompo o, mandra-pahoviana ro hitazagnanao anahy? Vonjeo amin'ny fandringanan-dreo ny fagnahiko, eko ny aiko amin'nyu liogna. 18 De hisaotsa Anao eo amin'ny fiangonan-dehibe iaho; hidera anao eo amin'ny onam-be aho. 19 Aoka tsa hifaly aminahy ny fahavaloko mpamitaka; aoka reo tsa hahatanteraka reo teti-dratsiny. 20 Fa raha tsa miresaka fiadagnana reo, nefa mitetika hilaza fitaka hanohitsa reo ze miaigna am-piadagnana amin'ny taniny. 21 Mitagnatagna vava hivazavaza anahy reo; hoy reo hoe:"Aha, aha, ny masonay ro efa nahita an'izey." 22 Efa an'zay Agnao, Yaveh, aza mangigna ; Tompo, aza magnalavitsa anahy. 23 Misandrata ho anahy eko mifohaza hiaro anahy; Andriamagnitso sy Tompoko, tohagno ny adiko. 24 Arovo aho, Yaveh Andriamagnitso, noho ny fahamarinanao; aoka tsa himehy anahy reo. 25 Aoka reo tsa hanao anakam-po hoe: " Aha, azonay ze nirianay." Aoka reo tsa hanao hoe; " Efa nolevogninay i." 26 Aoka ho megnatsa sy ho very hevitsa reo ze te hagnisy ratsy anahy. aoka hitafy hegnatsa sy fahafaham-baraka reo ze magneso anahy. 27 Aoka hikoka am-pifalena sy ho ravo reo ze nararyny fahamarignako; aoka reo hitarogna mandrakariva hoe: " Hoderaina anie Yaveh, I ro makasitraka ny fiadagnan'ny mpanompony." 28 De hilaza ny fahamarinanao sy hidera Anao amin'ny androko aby iaho