Tokop faha 34

1 Salamo nataon'i Davida; tamin'i nody gegy teo alohan'o Abimeleka, zey nandroaka anazy.Hidera an'i Yaveh amin'ny fotoagna manotolo aho. Ho eo ambavako mandrakariva ny fiderana Anazy. 2 Hidera an'i Yaveh iaho! Aoka ny ory handre ko hifaly. 3 Miaraha midera an'i Yaveh aminahy.Ndao hiara-hanandratsa ny agnarany atsika. 4 Nitadia an'i Yaveh iaho de namaly anahy I, ko nagnome anahy fandrisena tamin'ny tahotsa manotolo. 5 Izey mijery Anazy de mamirapiratsa, eko tsa megnatsa ny endri-dreo. 6 Tito lihilahy ory tito nitagny eko de nandre i Yaveh ko nagnavotsa anazy fakoriany aby manotolo. 7 Mitoby eo amin'ny ze matahotsa Anazy ny Anjelin'i Yaveh ko mamonjy andreo. 8 Andramo ko zahao fa soa Yaveh. Sambatsa ny ona ze mialoka Aminazy. 9 Matahora an'i Yaveh agnareo ona masina. Tsa hanan-draha mahory ze matahotsa Anazy. 10 Sy ndraika tsa ampy hanina ny liona tanora ko matin'ny noana, fa ze mitadia an'i Yaveh tsa ho orin-draha soa. Avia,zanako, taino aho. 11 Hampiantsa anao ny fatahorana an'i Yaveh iaho. 12 Ia ro ona magniry fiaignana sy te andro be, mba hahita soa? 13 ko ambeno amin'ny ratsy ny lelanaoeko ambeno amin'ny filazana lenga molotsao. 14 Halaviro ny ratsy ko manova ny soa. Mitadiava fiadagnana ko araho zay. 15 Ny mason'i Yaveh de amin'ze manao ny marina eko ny sofiny mitongilagna amin'ny tagnin-dreo. 16 Ny tarehin'i Yaveh de manohitsa ze manao ny ratsy, mba hagnongotana ny fahatsiarovana anazy eto ambony tany. 17 Mitaraigna ny ona marina ko mandre an'i Yaveh mamonjy andreo amin'ny fariany manotolo. 18 Marinin'ny torotoro fo Yaveh, eko mamonjy ny torotoro fagnahy. 19 Be ny olagnan'ny marina , nefa magnafaka andreo amizao raha aby zao Yaveh. 20 Mitagna ny taolany manotolo I. Tsa hisy tapaka zao leko raika azsa. 21 Hamono ny ratsy fagnahy ny loza. Ho voaheloka aby ze mankahala ny marina. 22 Mamonjy ny ain'ny mpanompony Yaveh. Tsa hisybho voaheloka ze mialoka aminazy.