Toko faha 33

1 Mifalea ao amin' i Yaveh, agnareo ry olo-marina, ny fiderana de mendrika ho an'ny mahitsy. 2 Misaora an'i Yaveh amin'ny lokanga ; mihira fiderana ho Anazy amin'ny valiha tory folo. 3 Mihira fihiram-baovao ho an'Anazy mitendre soa sady mihira am-pifaleana. 4 Fa mahitsy ny tenin'i Yaveh, ro ara-drariny ny raha aby ataony. 5 Tea fahamarignana sy rariny I. Heniky ny famindram-pon'i Yaveh ny tany. 6 Tamin'ny tarognan'i Yaveh no namorognana ny lanitsa , ary ny kitagna aby de natao tamin'ny fofon'ain'ny vavany. 7 Magnangogna ny ranon'ny ranomasigna aby tahaka ny antotan-draha I, ataony ao amin,ny fitehirizan-drano ny ranomasimbe. 8 Aoka hataotra an'Yaveh ny tany aby; aoka hijoro ampitalamjognana aminin'azy ny mponigna amin,ny tany aby. 9 Fa nitarogna I, dia tanteraka izay; nandidy I, dia tafatoatsa aby. 10 Yaveh magnafoagna ny fifagnarahan'ireo firenena, manapaka ambinin'ny fikasan'onam-be I. Maharitsa mandrakizay ny fagnirian'Yaveh, 11 ny fikasan'ny fony ho an'ny taranaka aby. 12 Tretrika ny firenena ze managna an'Yaveh ho Andriamagniny, de ny ona ze nofidiany ho lovany. 13 Mijery hategny amin'ny lagnitsa i Yaveh; mahita ny ona aby I. 14 hategny amin'ny toerana ze hitoerany ro hitizany ze miaigna ambonin'ny tany. 15 I ro mamolavola ny fondreo ro mandinika ny asan-dreo aby. 16 Tsa misy mpanjaka voavonjin'ny tafika lihibe zao, ko ny lihilahy mpiady de tsa voavonjin'ny halihiben'ny heriny. 17 Ny soavaly de fiarovan-diso ho an'ny fandrisena; leko eo aza ny tanjony lihibe, de tsa afaka mamonjy i. 18 Indro, ny mason'Yaveh de aniv'ny ze matahotsa Anazy; Amin'ny ze magnategna ny famindrampony mahatoky 19 mba hagnafaka ny ain-dreo amin'ny fahafatesana, eko mba hamelogna andreo amin'ny fotoan'ny mosary. 20 Miandry an'i Yaveh atsika, I ro famonjena sy ampinga. 21 Mifaly aminy ny fotsika, satria mahatoky ny agnarany masina atsika. 22 ôka ny famindram-ponao mahatoky, ry Yaveh, homba anay araka ny fampitoeranay ny fagnatenanay Aminao.