Toko faha 32

1 Salamo nataon'i Davida. Masikila. Tretrika ny ona ze voavela heloka, sy ze voasarogna ny fahotany. 2 Tretrika ny ona ze tsa meloka teo amin'i Yaveh sy reo ze tsa misy fitaka ny fagnahiny. 3 Sy nangina aho, de nihalany ny taolako, lehe nitaraigna nandritsin'ny tontolo andro aho. 4 Navesatsa taminahy andro amagn'aligna ny tagnanao. Nalazo salan'ny amin'ny lohataogna maigna ny tanjako. Sela 5 De nampahafantariko Anao ny fahotako, eko tsa nasitriko koa ny heloko. Hoy iaho: "Hagnambara reo hadisoako amin'i Yaveh iaho," de navelanao ny helokin'ny fahotako. Fiatsoana sy fiderana. 6 Noho zey, ze arak'Andriamagnitsa de tokony hivavaka Aminao amin'ny fotoagnan'ny fahoriam-be. Eko sy manonja mahery ny rano,de tsa hahazo reo ona reo zey. 7 Agnao ro toerana fisitrihako; hiambigna anahy amin'ny fahoriana Agnao. Hodidigninao amin'ny hiram-pandresena aho. Fiatoana sy fiderana. 8 Hanoro lalagna anao sy hampianatsa anao amin'ze lalagna tokony handihananao Aho. Hanoro lalagna anao Aho eko hitsinjo anao ny masoko. 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra, ze tsa managna fahazavan-tsaigna; fa amin'ny lamboridy sy fizera hiany ro hifehezana anazy handeha agny amin'ny tianao hitondrana anazy. 10 Managna olagna be ny ratsy fagnahy, fa fagnikena mahatokin'i Yaveh kosa ro hagnodidigna ze ona mahatoky Anazy. 11 Mifalia amin'i Yaveh, eko miravoa, agnareo ramarina; manaova feo fifaliana, agnareo aby ze mahitsy am-po.