Toko faha 31

1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Aminao, Yaveh,ro hialofako; aza avela ho afa-baraka iaho. Avoto amin'ny fahamarinanao iaho. 2 Mihinoa anahy; malakia hagnavotsa anahy; miteza ho vatolampy fialofako, fiarovana mahery hamonjy anahy. 3 Fa vatolampy sy fiarovana mahery ho anahy Agnao; ko nohon'ny amin'ny agnaranao, tariho sy tatano aho. 4 Sotogno hiala amin'ny harato ze nasitrin-dreo ho anahy iaho, fa Agnao ro fiualofako. 5 Eo an-tagnanao ro agnakignako ny fagnahiko; hagnavotsa anahy Agnao, Yaveh, Andriamagnitsy ny fahamendreham-pitokiana. 6 Halako ze manompo sampy raha foagna, fa iaho hatoky an'i Yaveh. 7 Hifaly sy hiravoravo amin'ny fagnikenao mahatoky iaho, fa Agnao ro nahita ny fahoriako; fantatsao ny fahorian'ny fagnahiko. 8 Tsa nagnome ho eo an-tagnan'ny fahavaloko aho. Nametraka ny tongoko ho eo amin'ny tany malalaka Agnao. 9 Mamindra fo aminahy, Yaveh, fa agnatin'ny fahoriana aho; miha-rokaky ny alahelo ny masoko miaraka amin'ny fagnahiko sy ny vatako. 10 Fa ny aiko de rokaka ny alahelo eko ny taognako nohon'ny fisentoako. Lefy ny heriko nohon'ny fahotako, eko ny tolako de mihalany. 11 Noho ny fahavaloko, de manao tsinotsinona anahy aby ny ona; ny mpiray monigna aminahy mandriandriagna amin'ny manjo anahy; eko ze mahafantatsa anahy de mivarahotsagna. Reo ze mahita anahy egny an-dalagna milefa anahy. 12 Hadigno salan'ny ona amaty ze tsa misy mpieritseritsa aho. Salamin'ny vilagny vaky aho. 13 Fa reko ny bitsibitsiky ny ona rehagna, reo vaovao mampatahotsa hategny an-kalalahana egny satria reo miray tetika hanohiotsa anahy. Mitetika ny hagnalaka ny aiko reo. 14 Fa matoky Anao iaho, Yaveh;hoy iaho hoe: " Andriamagnitso Agnao." 15 Ny anjarako de eo sn-tagnanao. Avoto amin'ny fahavaloko sy reo ze magnenjika anahy iaho. 16 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; avoto amin'ny fagnikenao mahatoky iaho. 17 Aza avela ho megnatsa aho, Yaveh; fa mangaika Anao iaho! Hangina agny amin'ny fiainan-tsa hita anie reo. 18 Oka ny somy mandenga hangina ze miresaka hanohitsa ny fahamarinana amim-pihatsiana miaraka amin'ny fiavognavognana sy ny fagnamavoana. 19 Endriaho ny fahasoavanao ze notehirizinao ho an'ze nagnaja anao, ze tanterahinao amin'ze mialoka aminao manoloagna reo zanak'olombelogna aby! 20 Eo amin'ny fialofan'ny teti-dratsin'ona.Manitrika andreo fialofana amin'ny herisetran'ny lela Agnao. 21 Ho deraina anie Yaveh, fa nanoro ny fagnikeny mahatoky mahagaga I lehe tao agnatin'ny tanana voafahirano aho. 22 Leko de nitarogna tamin'ny fahatairako aza aho hoe: " Nalaina tsa ho eo imasonao aho," eka vona mandre ny fitaraignako famonjena Agnao lehe nangaika Anao iaho. 23 Tiava an'i Yaveh, agnareo ra mpagnara-dia mahatoky, fa mamaly tateraka ny mpiavognavogna. 24 Mahereza sy mahatanjaha,agnareo ze matoky an'i Yaveh amin'ny famonjena aby.