Toko faha 30

1 Salamo; hira amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tempoly. Salamo nataon'i Davida. Hanandratsa Anao aho, Yaveh , fa nanangagna anahy Agnao eko tsa hamela reo fahavaloko hiravoravo eo aminahy. 2 Yaveh Andriamagnitso, nangaika ny famonjenao aho, eko nagnasitragna anahy Agnao. 3 Yaveh, nitondra ny fagnahiko nagnanika hatagny amin'ny fiainan-tsa hita Agnao; eko nitahiry anahy ho velogna tsa hirorogna agnam-pasagna. 4 Mihira fiderana ho an'i Yaveh, agnareo ra vahoakany mahatoky! Magnomeza fisaorana lehe mahatsiahy ny fahamasinany agnareo. 5 Fa ny fahatezerany de vetivety hiany (monja); fa ny fankasitrahany de mandritsan'ny androm-piaignany. Avy ny fitomagniana amin'ny aligna, fa ny fifaliana avy sy maraigna. 6 Am-pahatokiana ro nilazako hoe: " Tsa mba hangozohozo mandrakizay iaho." 7 Yaveh,nohon'ny fankasitrahana de nanao anhy ho salan'ny tyendrombohitsa matanjaka Agnao; de ory iaho. 8 Nangaika Anao iaho, Yaveh, eko nitadia sitraka avy amin 'ny Tompoko! 9 Ina ro tombony amin'ny fahafatesako, lehe handeha hirorogna agny am-pasagna iaho? Hidera Anao ve ny vavako? Hagnambara ny fahamendreham-pahatokisanao ve zay? 10 Mihinoa, Yaveh, eko mamindra fo aminahy! Yaveh, miteza ho mpagnampy anahy. 11 Namadika ny fisaonako ho fandihizana Agnao; nagnala ny akanjo fisaonako Agnao eko nampitafy anahy tamin'ny fifaliana. 12 Ko zizao ny voninahitso de hihira fiderana ho Anao eko tsa hangina; Yaveh Andriamagnitso, hagnome fisaorana Anao mandrakizay iaho!