Toko faha 29

1 Salamo nataon'i Davida. Magnomeza fiderana ho an'i Yaveh , agnareo ra zanak'Andriamagnitsa! Magnomeza fiderana ho an'i Yaveh noho ny voninahiny sy ny heriny. 2 Omeo an'i Yaveh ny voninahitsa ze mendrika ny agnarany. Mihohofa amin'i Yaveh amin' y famirapiratan'ny fahamasignany. 3 Ny feon'i Yaveh de re egny ambonin'ny rano be; ly Andriamagnitsa ny voninahitsy ny voninahitsa ro mampikotrokotroka, eko Yaveh ro mampikotroka ny rano be. 4 Ny feon'i Yaveh de mahery ; ny feon'i Yaveh de be voninahitsa. 5 Ny feon'i Yaveh de mamaky ny sedera; eko tinorotoron'i Yaveh ny sedera agny Libanona. 6 Mampitsititsitika an'i Libanona salan'ny zanak'omby eko Siriona salan'ny vatots'omby. 7 Ny feon'i Yaveh mampienga lelafo. 8 Ny feon'i Yaveh mampihozongozogna ny tany efitsa ; Yaveh mampihozongozogna ny efitsy Kadesy. 9 Ny feon'i Yaveh de mahatonga hazo Terebinta hihetsika ko nagnofy reo hoditsy ny ala. Ny ona aby agny an-tempoly mitarogna hoe: " voninahitsa!" 10 Yaveh mitoatsa salan'ny mpanjaka eo amin'ny tondra-drano; Yaveh mitoatsa salan'ny mpanjaka mandrakizay. 11 Yaveh de magnome hery ny anany; Yaveh miaro ny onany amin'ny fadagnana.