Toko faha 28

1 Salamo nataon'i Davida.Hikoka mahery ho aminao aho, Yaveh; vatolampiko, aza atao tsinotsinona iaho. Lehe tsa mamaly anahy Agnao, de hiaraha amin-dreo ze mirorogna am-pasagna iaho. 2 Hino ny feon'ny fitaraignako lehe mitadia fagnampiana avy aminao iaho, lehe manandratsa ny tagnako magnandreha ny fitoeranao masina indrindra iaho! 3 Aza manitogna anahy hiala miaraka amin'ny ratsy fagnahy, ze manao heloka, ze manognona fiadagnana amin'ny naman-dreo feny managna faharatsiana ao am-pon-dreo. 4 Omeo an-dreo ny sahaza ny asan-dreo eko valio ze takian'ny faharatsiam-pagnahiny, valio reo ny amin'ny asan'ny tagnan-dreo, valio ze sahaza an-dreo. 5 Satria tsa takany reo asan'i Yaveh na ny asan'ny tagnany,hanimba andreo i ery tsa hanangagna andreo koa. 6 Deraina anie Yaveh satria efa nahena ny feon'ny fitaraignako I! 7 Yaveh ro heriko sy ampingako; ny foko matoky Anazy, de apena aho. Noho zey de ravoravo fatratsa ny foko,eko iaho hidera Anazy amin'ny fihirana. 8 Yaveh ro herin'onany, eko I ro fialofana famonjen'ny raika voahosony.