Toko faha 27

1 Salamo nataon'i Davida. Yaveh ro fahazavako sy famonjeko; ia ro hatahorako? Yaveh ro fialofan'ny aiko; ia ro tokony hatahorako? 2 Lehe magnatogna handrotika ny nofoko reo mpanao ratsy,reop mpandrafy anahy sy reo fahavaloko de totoitsa ko lavo. 3 Leko de misy tafika mitoby hanohitsa anahy aza,de tsa hatahotsa ny foko; leko de misy ady hanohitsa anahy, na amin'zey aza de hiegnina mahatoky iaho. 4 Raha raika ro nangatahako tamin'i Yaveh , eko hitadia an'ny zay iaho: mba hahafahako mitoatsa an-dragnon'i Yaveh ao mandritsa ny andro aby iaignako, mba hahita ny fahasoavan'i Yaveh sy ny hisaintsaignany ao an-tempoliny. 5 Fa amin'ny andro fahoriako de hanitrika anahy eo amin'ny fialofany I;eo amin'ny saron'ny lainy ro hanitrihany anahy. Hagnakatsa anahy ho egny amin'ny vatolamy I! 6 Eko ny lohako de hasandratsa eo ambonin'ny fahavaloko magnodidigna anahy aby, hanolotsa reo fagnati-pisorom-pifaliana an-dainy iaho! Hihira sy hanao hira ho an'i Yaveh iaho! 7 Mihinoa ny feoko,Yaveh,sy mangaika mahery iaho! MamindrĂ  fo aminahy, eko valio iaho! 8 Mitarogna momba anao ny foko hoe: " Tadiavo ny tavany!" Mitadia ny tavanao iaho, Yaveh! 9 Aza manitrika ny tavanao aminahy; aza mamily ny mpanomponao am-pahasosorana! Agnao ro efa nagnampy anahy; aza mahafoy na mamela anahy, Andriamagnitsy ny famonjeko! 10 Fa na mahafoy anahy aza ny raiko sy ny reniko, Yaveh ro handray anahy. 11 Ampianaro anahy ny lalanao, Yaveh! Tariho amin'ny lalagna marina aho noho ny fahavaloko. 12 Aza manary anahy ho amin'ny fanirian'ny fahavaloko, fa reo vavolombelogna sandoka mitsangagna hanohitsa anahy, eko miaigna herisetra reo! 13 Ina ro nanjo anahy lehe tsa nino aho fa iaho de hahita ny fahasoavan'i Yaveh eo amin'ny tany honegnana? 14 Miandrasa an'i Yaveh; eko matanjaha, oka ny fonao hahery! Miandrasa an'i Yaveh!