Toko faha 26

1 Salamo nataon'i Davida. Tsarao aho Yaveh, fa nandeha tamim-pahasahiana iaho; nahatoky an'i Yaveh tsa tamim-pisalasalana aho. 2 Diniho aho, Yaveh, ery zahao toetsa aho; zahao toetsa ny fahadiovan'ny ato agnatiko sy ny foko! 3 Fa ny fagnikenao mahatoky ro manoloagna ny masoko, ery mandeha eo amin'ny fahatokianao aho. 4 Tsa mikambagna amireo ona mpamitaka aho, na miharoharo amin'ona tsa marina. 5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy, ery tsa miara-mitoatsa amin'ny ratsy fagnahy iaho. 6 Manasa ny tagnako amin'ny tsa fanagnan-tsigny iaho,ery mandeha magnodidigna ny alitaranao, Yaveh, 7 mba hihira fiderana mahery sy hilaza ny asanao mahazendagna aby. 8 Ro Yaveh, tiako ny tragno ze hitoeranao,ny toerana ze itoeran'ny voninahitsao! 9 Aza mandripaka anahy miaraka amin'ny mpanota, na ny aiko miaraka amin'ona liann-dra, 10 eo an-tagnan'reo ze misy teti-dratsy, ery eo amin'ze feno kolikoly ny tagnany ankavagnana 11 Fa iaho kosa , handeha amin'ny fahitsiana iaho; avoto iaho eko mamindra fo aminahy. 12 Mitsangana eo amin'ny tany marina ny tongoko; eo amin'ny fiangonana ro hiderako an'Yaveh!