Toko faha 25

1 Salamo nataon'i Davida. Ho Agnao ro anandratako ny fanahiko ry Yaveh! 2 Andriamagnitso o, matoky Agnao aho. Aza avela homegnatsa aho; aza avela hifaly amim-pandresena amiko reo fahavaloko. 3 Tsa hisy ho megnatsa anie ny ona ze magnantena Anao, ho megnatsa anie ze manao fihetsika mamitaka tsa amin'ny antony! 4 Ampahafantaro ahy reo làlanao, Yaveh o; ampianaro ahy reo lalanao. 5 Tariho aho ho ao amin'ny fahamarignanao ary ampianaro fa Agnao ro Andriamagnitsy ny famonjena ahy; Magnantena Agnao andro lava aho. 6 Tsarovy, ry Yaveh, reo asa fangirahanao sy famindram-po; fa efa nisy mandrakariva reo. 7 Aza mihevitsa reo fahotan'ny fahatanorako na ny fikomiako; tsarovy amin'ny famindraponao aho nohon'ny fahasoavanao, Yaveh o! 8 Soa sy mahitsy Yaveh; ka mampianatsa reo mpanota ny lalana I. 9 Mitarika ny manetry tena amize marina I ary mampiagnatsa azy reo ny lalany. 10 Reo lalan'Yaveh aby de fitiavana maharitsa sy fahatokiana ho an'ny ze mitandrigna ny fanekeny sy reo didiny mafy. 11 Fa noho ny amin'ny Agnaranao, Yaveh o, de mamelà ny heloko, fa lihibe zany. 12 Ia ro ona matahotsa an'Yaveh? Ny Tompo ro hanoro anazy ny lalana ze tokony hosafidiany. 13 Handeha amin-kasoavana hatrany ny fiagnany; ary reo taragnany handova ny tany. 14 Ny finamanana amin'Yaveh de hoan'ny reo ze manome voninahitsa Anazy, ary mampahafantatsa ny fanekeny amin' izy reo I. 15 Amin'Yaveh hatrany ny masoko, fa I ro hanafaka ny tongotso amin'ny harato. 16 Mitodiha aminahy ary mamindra fo aminahy; fa irery sy ory aho. 17 Mihitatsa reo fahorian'ny foko; alao ao amin'ny fahoriako aho! 18 Jireo ny fampahoriana anahy sy reo fisasarako; mamelà ny fahotako aby. 19 Jireo reo fahavaloko, fa be reo; mankahala anahy amim-pankahalana lozabe reo. 20 Arovy ny aiko ka avoty aho; aza avela ho megnatsa aho, fa mialoka Aminao! 21 Hiaro anahy anie ny tsa fivadihagna sy ny fahamarignana, satria magnatena Agnao aho. 22 Avoto amin'ny fahoriagna aby Israely, Androamagnitsa o!