Toko faha 24

1 Salamo nataon'i Davida. An' i Yaveh ny tany, sy ze mameno anazy, zao tontolo zao sy ze monigna ao aby manotolo. 2 F'efe nampitoatsa an'izao teo ambony ranomasina I eko nagnorigna teo ambonin'ny ony. 3 Ia ro mianika ho agna- tendrombohitsy Yaveh? Ia ro mijoro ao amin'ny fitoerany masina? 4 I ro managna tagnana madio sy fo madio; ze tsa namoron-denga, eko tsa nanao fampagnatenagna mba hamitahana. 5 Handray fitahiana hatamin'i Yaveh i eko fahamaringana hatamin' Andriamagnitsy ny famonjena anazy. 6 Sahalan' izay ro taranak'ireo ze mitadia Anazy, de zay mitadia ny tarehin' Andriamagnits'i Jakoba. Sela 7 Ingao ny lohanareo, agnareo ry vavahady, ry varavaragna mandrakizay,mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninhitsa! 8 Ia ro mpanjaka ny voninahitsa? Yaveh, mahery sy mahefa; Yaveh, mahery amin'ady. 9 Asandrato ny lohanareo, agnareo ry vavahady ;mitsangana ry vavahady mandrakizay, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitsa ! 10 Ia zao mpanjakan'ny voninahitsa zao?Yaveh Tompon'ny rehagna, I ro Mpanjakan' ny voninahitsa. Sela