Toko faha 23

1 Yaveh ro Mpiandry anahy; tsa hanan-java mahory aho. 2 mampandry anahy amin'ny ahi-maintso I; mitarika anahy amoron'ny rano fialan-tsasatra I. 3 mamelombelogna ny aiko I; mitarika anahy agny amin'ny lalagna marina noho ny amin'ny agnarany I. 4 Leko de mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho. De tsa hatahotsa loza aho fa Agnao momba anahy; ny tapitsakao sy ny tehignao ro mampahery anahy. 5 Magnomagna latabatsa eo anoloako eo amin'ny fagnatrehandreo fahavaloko Agnao; efa magnohotsa diloilo ny lohako Agnao, ny kapoakako feno de feno. 6 Fahatsarana sy famindram-po tokoa ro hagnaraka ahy amin'ny androm-piaignako aby; ary hitoatsa ao an-dragnin'i Yaveh lalandava aho!