Toko faha 22

1 Andriamagnitso o, Andriamagnitso o, nahoana ro namela anahy Agnao? Nahoana ro lavotsa loatsa amin'ny famonjena anahy Agnao eko lavitsa amin'ny tenin'ny fangirifiriako? 2 Andriamagnitso o, nitaraigna taminao an'iaho sy toandro,nefa tsa vinalinao, eko sy aligna de tsa nangina iaho! 3 Feny masina Agnao; mitoatsa salan'ny mpanjaka amin'ny fideran'nyIsraely Agnao. 4 Natoky Anao ny razambenay; natoky Anao reo,ko novinonjinao. 5 Nitaraigna taminao reo de novonjena. Natoky Anao reo ko de tsa mba diso fagnatignana. 6 Nefa kakagna iaho fa tsa mba ona, fahafaham-baraka ho an'olombelogna eko nataon'ona tsa misy fotony. 7 Reo aby ze mahita anahy de mitarogna ratsy anahy; esoan-dreo iaho; eko magnifikifi-doha aminahy reo. 8 Hoy reo:" Matoky an'i Yaveh i; avilao hagnavotsa anazy Yaveh. Avilao I hagnavotsa anazy, fa akasitrahiny i." 9 Fa agnao ro nitondra anahy hatao an-troka; nataonao matoky Anaoi aho fony tan-tratran-dreniko. 10 Natoraka taminao iaho hatagny an-trokan-dreniko; Agnao ro Andriamagnitso hatamin'iaho tan-trokan-dreniko! 11 Aza magnalavitsa anahy,fa mariny ny fahoriana; tsa misy ina hagnampy anahy. 12 Magnodidigna anahy ny ombilahy masiakan'ny Basana. 13 Hamihagnahagna ny vavany aminahy salan'ny liona mierogna mandrapaka ny rembiny reo. 14 Nararaka salan'ny rano iaho, eko nipitsoka aby ny tolako. Salamin'ny savoka ny foko; miepo ao agnatiko zey. 15 Maigna salamin'ny vilagny tany ny heriko; mirekitsa amin'ny lagnilagniko ny lelako. nampandry anahy teo amin'ny vovoky ny fahafatesana Agnao. 16 Fa nagnodidigna anahy ny amboa; efa magnodidigna anahy ny vondrn'ny mpanao ratsy; noloahin-dreo ny tagnako sy ny tongoko. 17 Voaisako aby ny tolako. Mijery sy nandinika anahy reo. 18 Zinaran-dreo taminazy ny fitafiako; nilokan-dreo ny akanjoko. 19 Aza magnalavitsa anahy, roa Yaveh; malakia roa hagnavotsa anahy, ro heriko! 20 Avoto amin'ny sabatsa ny fagnahiko , ny sisa fiaignako amin'ny andian'amboadia. 21 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona iaho; avoto amin'ny tandroky ny ombidia iaho. 22 Hilaza ny agnaraonao amin'ny rahalahiko iaho; eo apovoan'ny fiangonana ro hiderako Anao. 23 Agnareo matahotsa an'i Yaveh, midera Anazy! Agnareo taranak'i jakoba aby manotolo, magnomeza voninahitsa Anazy! Mijoroa am-pitalanjognana Aminazy, agnareo taranak'Israely aby manotolo. 24 Fa tsa manao tsinotsinona na mankahala ny ona ory I; tsa nanitrika ny tavany taminazy i Yaveh; lehe nitaraigna taminazy ny ona ory, de nahare I. 25 Ny fiderako de ho Anao ao am-piangonana lihibe; hagnatanteraka reo voadiko alohan'ny ze matahotsa Anazy iaho. 26 Ny ory de hihinana eko ho afa-po; reo ze mitadia an'i Yaveh hidera Anazy. Ho velogna mndrakizay anie ny fonareo. 27 Hahatsiaro eko hipody amin'i Yaveh reo vahoaka aby amin'ny tany; hiakohoka eo agnatrehanao reo fianakaviam-pirenena aby manotolo. 28 Fa an'i Yaveh ny fanjakana; I ro mpanapaka reo firenena. 29 Ny ona mpanan-karena aby de hiravoravo sy hidera; hiankohoka eo agnatrehanao aby reo ze hody vovoka,reo ze tsa afaka miaro ny ain-dreo. 30 Ny taranaka ho avy de hanompo Anazy, hotarogna amin'ny taranaka magnaraka ny amin'ny Tompo reo. 31 Ho avy reo eko hilaza ny fahamarinany; hilaza amin'ona vona tsa teraka ze efa nataony reo!