Toko faha 118

1 Misaora an'i Yaveh, fa mendrika I, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony. 2 Aoka ny Israely hitarogna hoa:" Maharitsa mandrakizay ny famindram-pony." 3 Apitraho ny taranak'i Arona hilaza hoe: " Ny fagnekeny mahatoky de maharitsa mandrakizay," 4 avilao reo mpanompo an'i Yaveh hilaza hoe:" Maharitsa mandrakizay ny famindram-pony." 5 Tagnatin'ny fahoriako ro nangehako an'i Yaveh; namaly anahy Yaveh sady nagnafaka anahy. 6 Momba anahy Yaveh: tsa hatahotsa aho; ina moa ro hataon'ona aminahy? 7 Mpamonjy eo agnilako Yaveh; hahita fandresena amireo ze mankahala anahy iaho. 8 Soa lavitsa ny mialoka amin'i Yaveh noho zay mametraka fitokiana amin'olombelogna. 9 Soa lavitsa ny mitoatsa ao amin'i Yaveh noho zay mametraka fitokiana amin'ny andrian-dahy. 10 Ny firenena magnodidigna anahy aby; ho tapahiko amin'ny agnaran'i Yaveh reo. 11 Nagnodidigna anahy reo; eka, nagnodidigna anahy reo; ho tapahiko amin'i agnaran'i Yaveh reo. 12 Nagnodidigna anahy salan'ny tantely reo; nanjavogna malaky salan'ny afo teo amin'ny tsilo reo; ho tapahiko amin'ny agnaran'i Yaveh reo. 13 Nanafika anahy reo mba handavo anahy, feny nagnampy anahy i Yaveh. 14 Yaveh ro heriko sy hafaleako, sady I ro tokagna mpagnavotsa anahy. 15 TainĂ² so amin'ny lalin'ny fahamarinana ny hiakam-pifalian'ny fandresena;nandresy ny tanan-kavagnan'i Yaveh. 16 Asandratra ny tagnan-kavagnan'i Yaveh; mandresy ny tagna-kavagnan'i Yaveh. 17 Tsa ho maty aho, fa velogna de hilaza reo asan'i Yaveh. 18 Efa sinazin'i Yaveh mihintsy iaho; feny tsa nanolotsa anahy ho maty I. 19 Vohao ho anahy ny vavahadin'ny fahamarinana; hitsofoka ao aho sady hisaotsa an'i Yaveh. 20 'Zay ro vavahadin'i Yaveh; ny ona marina ro mitsofoka ao. 21 Hisaotsa Anao aho,satria namaly anahy Agnao, de roso famonjena ho anahy Agnao. 22 Ny vato ze nolavin'ny mpanao tragno roso vato fehizoro. 23 Zay ro nataon'i Yaveh; mahazendagna imasotsika zay. 24 'Ty ny andro nataon'i Yaveh; hifaly sy ho ravoravo amizay tsika. 25 Miangavy roa Yaveh, omeo fandresena agnay! Miangavy roa Yaveh, omeo fahombiazana agnay! 26 Ho tahiana ze avy amin'ny agnaran'i Yaveh;ao an-dragnon'i Yaveh ro hitsofanay rano anao . 27 Yaveh ro Andriamagnitsa, sady efa nagnome fahazavana ho anay I; narohiny tamireo tady teo amireo tandroky ny alitara ny sorogna. 28 Agnao ro Andriamagnitso, ka hisaotsa Anao aho; Agnao ro Andriamagnitso; hanandratsa Anao aho. 29 Eka, misaora an'i Yaveh, fa mendrika I; sady maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.