Toko faha 116
1
Tiàko Yaveh satria mandrè ny feoko sy reo tapahiko ho amin'ny famindram-po I.
2
Satria niheno anahy I, hangaika Anazy aho lehe vona velogna hiany.
3
Nandrohy anahy reo tadin'ny fahafatesana, sady ny fandriky ny fianan-tsy hita de nagnatrika anahy, nahatsiaro fangirifiriana sy alahelo aho.
4
De nangaika ny agnaran'i Yaveh aho nanao hoe:" Miangavy roa Yaveh, avoto ny aiko."
5
Yaveh de be famindram-po sady tsa mitagnila; ny Andriamagnitsika de be fangoraham-po.
6
Yaveh de miaro ny bado; nambaniana aho, de namonjy anahy I.
7
Afaka mipody agny amin'ny fotsaharana ny fagnahiko, satria Yaveh efa nanao soa taminahy.
8
Fa Agnao nagnavotsa ny aiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, sady ny tongoko tsa ho totoitsa.
9
Hanompo an'i Yaveh agny amin'ny tanin'ny velogna aho.
10
Nino Anzay iaho,leko nitarogna aza aho hoe: " Tena ory aho."
11
Nitarogna tsa amim-piheverana aho hoe:" Mpandenga aby ny ona."
12
Akory ro hafahako magnefa an'i Yaveh ny hatsaram-pagnahiny aby taminahy?
13
Hatsangako ny kapoaky ny famonjena, sady angehiko ny agnaran'i Yaveh.
14
Ho tanterahiko reo voadiko nataoko tamin'i Yaveh teo agnatrehan'ny vahoakany aby.
15
Sarobidy teo imason'i Yaveh ny fahafatesan'reo ona masiny.
16
Eka tokoa, roa Yaveh, mpanomponao aho; mpanomponao aho; zanaka lahin'ny mpanompo vavinao; nalainao reo rohiko.
17
Hanolotsa ny sorom-pisaorana ho Anao aho sady hangaika ny agnaran'i Yaveh.
18
Ho tanterahiko reo voadiko tamin'i Yaveh teo agnatrehan'ny vahoakany aby,
19
tan-drindrin'ny tragnon'i Yaveh, teo aminao, roa Jerosalema. Derao Yaveh.